Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firifiry: (firy) p.t.: Be dia be, sesehena: Firifiry akory no mbola tsy mahalala ny hasoan'ny teny malagasy? Ahitsio
Firifiry: (firy) a.: Hatsiaka manaikitra aoka izany. - t.i.f.: firifiriana / mamirifiry. Ahitsio
Firihana: (rihana) a.: Toetran' ny rihana, ny ngorodona. Ahitsio
Firijarija: (rijariJa) a.: Toetran' ny olona na ny hazo mirijarija, izany hoe avo tsars bika. Ahitsio
Firikarika: (rikarika) a.: Toetran'ny taolana miranirany. Ahitsio
Firimodrimotana: (rimodrimotra) a.: Fialana amin-katezerana sady mirintona. Ahitsio
Firimodrimotra: (rimodrimotra) a.: Fomba entina mirimodrimotra, na miala mixintona amin-katezerana. Ahitsio
Firimorimo: (rimorimo) a.: Toetran'ny zavatra mirimorimo, na miezaka mihazakazaka. Ahitsio
Firimorimoana: (rimorimo) a.: Fiezahana mihazakazaka, fisafoahana; fifiohana. Ahitsio
Firina: (firy) mt.ih. (firio): Zaraina firy?: Hofirina it9 amalona ity? Ahitsio
Firina: (firy) p.t.: Mangatsiaka. Ahitsio
Firindra: (rindra) a.: Filamina, filanto. Ahitsio
Firindrina: (rindrina) a.: Toetran'ny varavarana mirindrina, izany hoe mikatona. Ahitsio
Firindrinana: (rindrina) a.: Fikatonana. Ahitsio
Firinga: a.: Fivalanana, tay, diky. a Firingan-delo: lelo maina mitakosina eny amin' ny takolaka; be lelo, paka lelo. / Firinga mievotra: olona tsinontsinona tafakatra ambonimbony ka manjary be hambo sy be eboebo. / Firinga monina: teny iantsoana ny sofina. / Lava-piringa: lavaka anangonana ny firinga mba tsy hielezany eran'ny toerana manodidina; gabone. Ahitsio
Firingana: (ringana)a.: Toetran' ny zavatra miringana, miripaka, voa na maty daholo tsy misy miangana. Ahitsio
Firinganana: (ringana) a,: Ny fandravana, fandevonana, fandripahana. Ahitsio
Firingiringiana: (ringiringy) a.: Fiteronteronana amin'ny toerana avo; fiavonavonana, firehareham-poana Ahitsio
Firingiringy: (ringiringy) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miringiringy, izany hoe miteronterona amin'ny toerana avo, miavonavona, mirehareha foana. Ahitsio
Firintona: (rintona) a.: Fomba entina mirintona, na miala tampoka an-katezerana. Ahitsio