Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firetsika: Firetsidretsika (retsika) a.: Toetran'ny zavatra miretsika, na miretsidretsika, izany hoe mihahohaho, mamolivoly. Ahitsio
Firezareza: (rezareza) a.: Fomba na toetran'ny olona mirezareza, izany hoe mandeha miadana misonanina manketsy mankeroa. Ahitsio
Firezarezana: (rezareza) a.:Fandehanana miadana misonanina manketsy mankeroa. Ahitsio
Firezatana: (rezatra) a.: Fitezerana, fitenenana an-katezerana. Ahitsio
Firezatra: (rezatra) a.: Fomba entina mirezatra, na mitezitra. Ahitsio
Firiadriatana: (riadriatra) a.: Fanaovan-javatra amin-katezerana arahhn-pihetsika mitrevatreva tsy misy fitsitsiana na dia kely aza. Ahitsio
Firiadriatra: (riadriatra) a.: Fomban'ny olona miriadriatra, izany hoe manao zavatra amim-p itrevatrevana. Ahitsio
Firiaka: (riaka) a.: Fomba entina miriaka. Ahitsio
Firiaria: (riaria) a.: Fomban'ny biby na olona miriaria, izany hoe mikarenjirenjy ets? sy erg amin-kafaliana. Ahitsio
Firiariavana: (riaria) a.: Fikarenjirenjena, fandehandehanana etsg sy erg amin-kafaliana. Ahitsio
Firiatana: (riatra) a.: Fandosirana, fandehanana mirintona; fitsiahana, fipoahana tampoka. Ahitsio
Firiatra: (riatra) a.: Toetran'ny zavatra miriatra, izany hoe mandositra, na mipoaka tampoka: Ny firiatran'ny varatra. Ahitsio
Firibariba: (ribariba) a.: Toetran'ny kibo miribariba, irany hoe mirotadrotaka, mirazorazo. Ahitsio
Firidana: (ridana) a.: Fomban' ny biby na ny olona miridana, na mandositra betsaka indray miaraka. Ahitsio
Firidanana: (ridana) a.: Filefana, fandosirana betsaka indray miaraka. Ahitsio
Firidiridiana: (ridiridy) a.: Fihenjanana tsy mety miketraka; fihinjirana, fihiniihiniiana, fiziriziriana. Ahitsio
Firidiridy: (ridiridy) a.: Fomban'ny zavatra na olona miridiridy, na mihenjana, mihinjitra, mihiniihinjy. Ahitsio
Firifatana: (rifatra) a.: Fandosirana. Ahitsio
Firifatra: (rifatra) a.: Fomba entina mĀ¢ifatra, mandositra. Ahitsio
Firifirina: (firifiry) p.t.: Mangatsiaka, manaikitra izaitsizy (hatsiaka). Ahitsio