Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fireona: Fireondreona (reona) a.: Toetran'ny zavatra mireondreona na manehoeho, mirohondrohona: Ny fireondreon'ny orga. Ahitsio
Fireotra: (rentra) a,: Fipiaka, firefotra, toetran'ny zavatra mirefotra. Ahitsio
Fireparepa: (reparepa) a.: Toetran'ny zavatra mireparepa, na mitaritarika. Ahitsio
Fireparepana: (reparepa) a.: Fitaritarihana. Ahitsio
Firepirepena: (repirepy) a.: Fitotototoana atsg sy arg noho ny tahotra, ny fahasahiranana; fiapanapanana. Ahitsio
Firepirepy: (repirepy) a: Foin-ban 'ny olona mirepirepy, izany hoe mitotototo atsg sy arg noho ny tahotra, na fahasahiranana. Ahitsio
Firepohana: (repoka) a,: Fikepohana, fikepokepohana. Ahitsio
Firepoka: (repoka) a,: Fomba entina mirepoka, na mikepoka. Ahitsio
Firerahana: (reraka) a.: Fivahana; fiketrahana, figedragedrana. Ahitsio
Fireraka: (reraka) a,: Toetran' ny zavatra mireraka, na mivaha, migedragedra. Ahitsio
Firerarera: (rerarera) a.: Fomban'ny olona mirerarera, izany hoe miakanjo tsizarizary, miroradroraka. Ahitsio
Firerarerana: (rerarera) a.: Fiakanjoana tsizarizary, miroradroraka; fibarerana; firefarefana (elatry ny vorona, akanja), fitavozavozana, fitaredretana. Ahitsio
Firesahana: (resaka) a.: Fanaovana teny ifamaliana momba izao sy izao: Ny firesahana matetiko ahitana hevitra. ? Fifanakalozana hevitra: TsY nisy firesahana akory dia nanapaka izy. e Fanaovana dinidinika: Efitrano firesahana. • Fitenenana, filazana: Ny firesahako izany tamindRabe no nahasosotra andRakoto. Ahitsio
Firesaka: (resaka) a,: Fomba entina miresaka: Mahatsikaiky ny firesak'io uehivavy io. • Anton-dresaka: Ataon'ny olona firesaka io Rangahy io. Ahitsio
Firesaresa: (resaresa) a.: Fomba entina miresaresa, toetran'ny olona miresaresa, izany hoe mandeha miadana, miretareta toy ny tsy afaka mamindra. Ahitsio
Firesaresana: (resaresa) a.: Fandehanana miadana, miretareta toy ny tsy afaka mamindra; fitaredretana, filasilasiana. Ahitsio
Firetahana: (retaka) a.: Fikoavana, firodanana: Ny firetahan'ny tamboho. Ahitsio
Firetaka: (retaka) a.: Toetran' ny zavatra miretaka, na mikoa, mirodana. Ahitsio
Firetareta: (retareta) a.: Fitavozavozana, firetadretana. Ahitsio
Firetidretika: (retidretika) a,: Toetran'ny zavatra miretidretika, na misolidotika. Ahitsio