Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firebika: (rebika) a.: Fomba entina mirebika, mitsinja-kafaliana. Ahitsio
Fireboka: (reboka) a.: Fomba entina mireboka, na mandanilany foana amim-pieboeboana Ahitsio
Firedahana: (redaka) a.: Toetran-javatra misy lelafo mijoalajoala. Ahitsio
Firedaka: (redaka) a.: Toetran' ny zavatra miredaka. Ahitsio
Firedareda: (redareda) a.: Toetran'ny afo miredareda. Ahitsio
Firedaredana: (redareda) a.: Firehetana misy lelafo miioalajala sy maharitra. Ahitsio
Firediredena: (rediredy) a.: Fitenitenenam-poana tsy misy heviny. Ahitsio
Firediredy: (rediredy) a.: Fomban'ny olona mirediredy, miteniteny foana. Ahitsio
Firedona: (redona) a.: Toetran' ny zavamaneno maneno indray miaraka, toetran'ny hira ezahina indray miaraka. Ahitsio
Firedonana: (redona) a.: Fanenoana miaraka, fihirana na fikiakiavana mafy indray miaraka. Ahitsio
Firefahana: (refaka) a.: Fitaritaritan'ny akanjo mifafa amin'ny tany. Ahitsio
Firefaka: (refaka) a.: Toetran' ny zavatra mirefaka, mitaritarika amin'ny tany. Ahitsio
Firefotana: (refotra) a.: Firiatana, fitefohana; fipoahana. Ahitsio
Firefotra: (refotra) a.: Toetran' ny zavatra mirefotra, miriatra, mitefoka, mipoaka. Ahitsio
Firehafana: (rehaka) a.: Fiderana tena izaitsizy. Ahitsio
Firehaka: (rehaka) a.: Fomba entina mirehaka, midera tena izaitsizy. Ahitsio
firehana:fironan'ny saina mankany amin'ny foto-kevitra iray Ahitsio
Firehetana: (rehitra) a.: Fiterahana lelafo sy hafanana; fisafoahana; hamaivain'ny hidihidy. Ahitsio
Firehitra: (rehitra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mirehitra, miteraka lelafo sy hafanana. Ahitsio
Firehofana: (rehoka) a.: Fandrahonana amin-katezerana. Ahitsio