Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firavahana: (rayoka) a.: Fihaingoana. Ahitsio
Firavaka: (ravaka) a.: Zavatra atao fihaingoana vita amin' ny vato na metaly sarobidy ary amim-pomba voakaly, toy ny kavina, haba...: Misy efatra karazana ny firavaka fitondran'ny Ntaolo nihaingo: ny vakana, ny kavina, ny firavaka fanao amin' ny uolo na drakadraka, ary ireo rojo isan-karazany. Ahitsio
Firavana: (rova) a.: Fivoahana ny lakilasy, ny fivoriana, Ahitsio
Firaveravezana: (raviravy) a.: Fihantonana, fikiramboramboana. Ahitsio
Firaviravy: (raviravy) a.: Toetran'ny zavatra miraviravy, mihantona, mikiramborambo. Ahitsio
Firavitana: (ravitm) a.: Fitambarana. / H.o.: Firaiketampo amin'olona iray. Ahitsio
Firavitra: (ravitra) a.: Fomban' ny zavatra miravitra, mikambana amy... Ahitsio
Firavona: (ravona) a.: Toetran' ny zavatra miravona, mitovy tantana. Ahitsio
Firavonana: (ravonana) a.: Fitoviana tantana, filamahana, fitoviana. Ahitsio
Firavoravo: (ravoravo) a.: Fomba entina miravoravo. Ahitsio
Firavoravoana: (ravoravo) a.: Fifaliana; misy fifaliana: Andro firavoravoana. Ahitsio
Firay: (iray) a.: Fomba entina miray. Ahitsio
Firazanana: (razana) a.: Foko niaviana: lnona no firazananareo? Ahitsio
Firazorazo: (razorazo) a.: Fikiraviravy. Ahitsio
Firazorazoana: (razorazo) a.: Fikiravixavezana. Ahitsio
Firebahana: (rebaka) a.: Fiedinedinanaamin'ny akanjo malalaka sy mirefarefa. Ahitsio
Firebaka: (rebaka) a.: Fomba entina mirebaka, miedinedina amin'ny akanjo malalaka sy mirefarefa. Ahitsio
Firebareba: (rebareba) a.: Toetran'ny zavatra mitaritarika; fomba entina mirebareba. Ahitsio
Firebarebana: (rebareba) a.: Fitaritarihan'ny akanjo amin' ny tany; fitondrana akanjo lava mitaritarika. Ahitsio
Firebehana: (rebika) a.: Fandihizan-kafaliana misy tsinjaka. Ahitsio