Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firantirantiana: (rantiranty) a.: Fitandaharana amin'ny toerana avo na mora hita ka miharihary tsara; fitsangantsanganan-javatra mltandahatra. Ahitsio
Firantiranty: (rantiranty) a.: Toettan'ny zavatra mirantiranty, mitandahatra amin'ny toerana avo ka miharihary tsara. Ahitsio
Firantsanana: (rantsana) a.: Toetran'ny zavatra mirantsana, fisampanana ho sampana madlnika. Ahitsio
Firaondraona: (raondraona) a.: Toetran'ny zavamaneno miraondraona: Sondrlana er9 oho mihaino ny firaondraonan'ny orga any am-piangonana. Ahitsio
Firaparapa: (raparapa) a.: Fomban'ny olona mipapapapa, mitotototo; fipapapapa, fitotototo. Ahitsio
Firaparapana: (raparapa) a.: Famindrana na fandehanana tsy mahita izaY hodiavina fa mitsapatsapa; fandehanana mizotra an-jamba tsy mihevitra izay mety hahavoa ny tena, fipapapapana; fitotototoana. Ahitsio
Firapotsy: (firaka) a.: Karazam-piraka faninginana. Ahitsio
Firara: (Ski) a.: Hazo apetaka amin'ny molotry ny lakana manamafy azy. Ahitsio
Firaràhana: (raraka) a.: Fianjerana na fihintsanana (rano na voa maina) amin'ny toerana iray. Ahitsio
Firaraka: (raraka) a.: Fomban' ny zavatra (rano na voa mai-na) miraraka. Ahitsio
Firaratana: (raratra) o.: Fihaingoana, firavahana. Ahitsio
Firaratra: (raratra) a.: Fomba entina miraratra, mihaingo, miravaka. Ahitsio
Firarazana: na Zorn firarazana (rary razana) a: Ny zorontrano avaratra atsinanana, izay firarian'ny razana, izany hoe fivavahan'ny razana tamin'Andriananahary fahizay na koa azo raisina hoe firariana na fivavahana tamin'ny razana. Ahitsio
Firariana: (rary) a.: Ny fandrandranana fampihavanana, famitranana (fihavanana). Ahitsio
Firariana: (rory) a.: Fanirlana ombam-pangatahana amin' ny alalan'ny vavaka. Ahitsio
Firary: (rary) a.: Fomba entina mirary. Ahitsio
Firàtra: (ratra) a.: Toetran'ny volana miratra. Ahitsio
Firatra: a. f t.: Enti-milaza hazavana na fanjelanjelarana. - t.i.f.: Mamiratra, mamirapiratra, famiratra, mpamiratra ) amlratana, famiratana, famirapiratana. Ahitsio
Firatrana: (ratra) a.: Ny fihenan'ny volana tsikelikely. Ahitsio
Firava: (raya) a,: Toetran'ny zavatra mirava. Ahitsio