Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firaharahana: (raharaha) a.: Fikarakarana: Firaharahana ny fanambadian'ny zokinay no ivorian-dry dada sy neny ao. 1 Fiheverana, fieritreretana: Mahagaga ny tsy firaharahan' ny tanora sasany ny hoaviny. 1 Fiahiana, fikanonkanonana: Ny firaharahan tokantrano ve dia an'ny vehivavy irery? Ahitsio
Firahavaviana: (rahavavy) a.: Fatoram-pihavanana amin' ny samy mpirahavavy. Ahitsio
Firahavavy: (rahauavy) a.: Toetran'ny olona mirahavavy. Ahitsio
Firaika: (raika) a.: Toetran'ny zavatra miraika, mirona, mitongilana. Ahitsio
Firaikana: na Firaihana (raika) a.: Fironana, fitongilanana. 1 Fahamaodimaodiana mahatonga hitandrina: Ny tay firaikana matetika no mahavoa, Ahitsio
Firaiketana: (raikitra) a.: Fipetahana, fifetahana; fifikirana. Ahitsio
Firaikiraikena: (raikiraiky) a.: Fahavarimbarianana, fahadaladalana. Ahitsio
Firaikiraiky: (roikiraiky) a.: Toetran'ny olona miraikiraiky. Ahitsio
Firaikitra: (raikitra) a: Fomba entina miraikitra, toetran'ny zavatra miraikitra. Ahitsio
Firaina: (fira) mt. ih. (firao): Kapaina, linjaina: Nofiraindry zalahy andro alina tao ny varinay. / Lazaina:Firain' ny yava izany ka mora. Ahitsio
Firaisana: na Firaisam-pokontany a.: Fitambaran'ny fokontany maromaro na vitaivitsy eo ambany fifehezan' ny Lehiben'ny firaisam-pokontany ary ao anatin'ny Fivondronam-pokontany. Ahitsio
Firaka: a.: Teny ilazana metaly roa samy hafa dia ny firapotsy, izay azo fisahina manify dia manify ka ampiasaina ho famonosan- kanina mora simba, sy faninginana, arY ny fira-mainty, ampiasaina indrindra hanaovana tantirano. Ahitsio
Firaketana: (rakitra) a.: Fitahirizana. Ahitsio
Firakitra: (raikitra) a.: Fomba entina mirakitra, mitahiry. Ahitsio
Firakofana: (rakotra) a.: Lamba entina mirakotra. Ahitsio
Firakorako: (rakorako) a.: Toetran'ny volo mirakorako, misaritaka tsy mibango fa mitsidradraka. Ahitsio
Firakorakoana: (rakorako) a.: Fisaritahan'ny volo tsy mihogo na mibango fa mitsidradraka na mitsibolobolo. Ahitsio
Firakotra: (rakotra) a.: Fomba entina mirakotra; zavatra entina mirakotra. Ahitsio
Firamainty: a.: Jar. Firaka. Ahitsio
Firamarama: (ramarama) a.: Fomba entina miramarama, mihaingo fatratra. Ahitsio