Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fipotsaka: (potsaka) a.: Fomban'ny zavatra mipotsaka, izany hoe mivoaka ivelan' ny..., mivoaka avy ao amy... Ahitsio
Fipotsiarana: (Pottiatra) a.: Fifantaitsirana. Ahitsio
Fipotsiatra: (potsiatra) a.: Fomban'ny rano mipotsiatra, na mifantsitsitra. Ahitsio
Fipozipozena: (pozipozy) a.: Ny fahosana, ny fahantrana. Ahitsio
Fipozipozy: (pozipozy) a.: Fahosana, fahantrana. Ahitsio
Fipy: (py) o,: Fomba entina mipĂ˝, izany hoe mikimpikimpy maso. Ahitsio
Fira: a.: Fikapana zavamaniry mbola eny am-potony, fijinjana. 1 Filazana zavatra amin'ny teny fohy. - t.i.f.: Firaina, afira, voafira ( mamira, famira, mpamira 1 amirana, famirana ) mahafira. Ahitsio
Firabahana: (rabaka) a.: Fitsofohana, fiditridirana an-kasahiana izaitsizy. Ahitsio
Firabaka: (rabaka) a.: Fomba entina mirabaka, izany hoe mitsofoka, miditriditra ankasahiana izaitsizy. Ahitsio
Firabaraba: (rabaraba) a.: Fomba entina mirabaraba, manao tsy am-piheverana, manaonao foana. Ahitsio
Firabarabana: (rabaraba) a.: Fanaovana tsy am-piheverana, fanaovana kitoatoa. Ahitsio
Firadarada:(radarada) a.: Fomba entina miradarada, fomban'ny olona miradarada, izany hoe miteniteny foana tsy misy heviny, mirediredy. Ahitsio
Firadaradana: (radarada) a.: Fitenitenenam-poana tsy misy heviny; firediredena. Ahitsio
Firado: (rado) a.: Fomba entina mirado, mitondra na manao rado. Ahitsio
Firadoana: (rado) a.: Fanaovana rado, fitondrana rado eny am-bozona. Ahitsio
Firafetana: (rafitra) a.: Firaiketana, fiadiana. Ahitsio
Firafitra: (rafitra) a.: Fomban' ny zavatra mirafitra, miraikitra, miady. Ahitsio
Firahalahiana: (rahalahy) a.: Fatoram-pihavanana amin' ny mpirahalahY; fihavanana, fifankatiavana. Ahitsio
Firahalahy: (rahalahy) a.: Toetran'ny olona mirahalahY. Ahitsio
Firaharaha: (raharaha) a.: Fomba entina miraharaha, na mikarakara, mieritreritra, mihevitra, miahy. Ahitsio