Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiporiatana: (poriatra) a.: Fandosirana. Ahitsio
Fiporiatra: (poriatra) a.: Fomba entina miporiatra, mandositra. Ahitsio
Fiporiporiana: (poripory) a.: Fahantrana fadiranovana. Ahitsio
Fiporipory: (poripory) a.: Toetran'ny olona mahantra fadiranovana. Ahitsio
Fiporitehana: (poritika) a.: Fifantsltsirana, fipariahana, fipitihana hatraiza hatraiza. Ahitsio
Fiporitika: (poritika) a.: Fomban'ny zavatra miporitika, izany hoe mifantsitsitra, mipariaka, mipitika hatraiza hatraiza. Ahitsio
Fiporitsahana: (poritsaka) a.: Fianjeran-javatra avy eny antanana tsy hita akory; fahalasanana midify haingana tsy tra-maso. Ahitsio
Fiporitsaka: (poritsaka) a.: Fomban'ny olona miporitsaka, izany hoe mianjera avy eny an-tanana tsy lifta akory, lasa midify haingana tsy tra-maso, Ahitsio
Fiporoatana: (poroatra) a.: Ny fahatondrahana. Ahitsio
Fiporoatra: (poroatra) a.: Toetran'ny zavatra mihoa-pefy, Ahitsio
Fipororoatana: (pororoatra) a,: Fihoarana; fahalasanana na fahatongavana manao rodobe. Ahitsio
Fipororoatra: (pororoatra) o.: Toetran'ny zavatra mipororoatra, izany hoe mihoatra, lasa na tonga manao rodobe. Ahitsio
Fiposahana: (poraka) a.: Fisehoana, fitrangana: Amin'ny 6 ora ny fiposahan'ny masoandro amin'izao fizaran-taona izao. e Fisehoana miharihary: Hita eo ny fiporahan' ny lainganao! Ahitsio
Fiposaka: (poraka) a.:Fomban' ny zavatra miposaka, mitranga, miseho miharihary. Ahitsio
Fipotehana: (potika) a.: Fizarazarana kely madinika. Ahitsio
Fipotika: (potika) a.: Toetran' ny zavatra mipotika, mizarazara kely madinika. Ahitsio
Fipotikana: (potikana) a.: Fidifiana tsisy mahita; fibolilana, fiporitsahana. Ahitsio
Fipotrahana: (potraka) a.: Fidinana (saina), firotsahana (ranomaso). Ahitsio
Fipotraka: (potraka) a.: Fomban'ny zavatra mipotraka, na midina, mirotsaka. Ahitsio
Fipotsahana: (potaaka) a.: Fivoahana ivelan'ny tranony, fivoahana avy ao amy..., fisehoana avy ao...: Ny fipotsahan'ny nana avy ao amin' ny vay. Ahitsio