Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiparasahana: (parasaka) a.: Fiparitahana, fielezana, fisehoana tsy misy miafina. Ahitsio
Fiparasaka: (parasaka) a.: Toetran'ny zavatra miparasaka, izany hoe miparitaka ho vakivakiny madinika. Ahitsio
Fipariahana: (pariaka) a.: Fiparitahana, fihahafana. Ahitsio
Fipariaka: (pariaka) a.: Fomban'ny olona na toetran'ny zavatra mipariaka, izany hoe miparitaka; fihahaka, Ahitsio
Fipariritana: (pariritra) a.: Fifantsitsirana. Ahitsio
Fipariritra: (pariritra) a.: Fomban'ny rano mipariritra; fifantsitsitra. Ahitsio
Fiparitahana: (paritaka) a.: Fielezana amin'ny toerana ma-ro, fandosirana misafotofoto. Ahitsio
Fiparitaka: (paritaka) a.: Fiely, fomba na toetran'ny zavatra miparitaka. Ahitsio
Fipasahana: (pasaka) a.: Fipariahana ho vakivakiny maro madinika, fitresahana, fiverahana. Ahitsio
Fipasaka: (Pasaka) a.: Toetran' ny zavatra mipasaka, izany hoe mipariaka ho vakivakiny maro madinika; fitresaka: Ny fipasaky ny ouin'Ankaratra. Ahitsio
Fipasohana: (pasoka) a.: Fandamana, fandambolamboana, fanindriana ny fitafiana amin'ny vy nohafanaina mba hanala ny ketronketrona aminy; fandrindrana. Ahitsio
Fipasoka: (pasoka) a.: Fomba entina mipasoka. Ahitsio
Fipataloa: (fr. Pantalon) a.: Fomba fitondra pataloa. Ahitsio
Fipataloavana: (fr. pantalon) a.: Fanaovana na fitondrana pataloa. Ahitsio
Fipatrapatrahana: (patrapatraka) a.: Fianjerana vongandrano mitete mahalankalana. Ahitsio
Fipatrapatraka: (patrapatraka) a.: Toetran'ny zavatra (indrindra ny rano) mipatrapatraka, izany hoe mianjera mi-tete mahalankalana: Ny fipatrapatraky ny oram-bauenty. Ahitsio
Fipatripatry: (patripatry) a.: Havaventiventy, hafatrofatro. Ahitsio
Fipatsitsirana: (patsitsitra) a.: Fifantsitsirana. Ahitsio
Fipatsitsitra: (patsitsitra) a.: Fomban'ny rano mipatsitsitra, na mifantsitsitra. Ahitsio
Fipelapelahana: (pelaka) a.: Fivelaran-javatra manify sady talesaka. Ahitsio