Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fipahimpahinana: (pahina) a.: Ny toetran'izay tsy mahita mazava tsara, izay mahita manjavozavo. Ahitsio
Fipaihana: (paika) a.: Fandidiana sy fikapana (vato). Ahitsio
Fipaika: (paika) a.: Fomba entina mipaika. 1 p, t.: Azo pehina. Ahitsio
Fipaingo: (paingo) a.: Toetran' izay voatana amin'ny gadra. Ahitsio
Fipaingoana: (paingo) a.: Figadrana. Ahitsio
Fipaingorana: (paingotra) o.: Firaiketana amin'ny paingotra. Ahitsio
Fipaingotra: (paingotra) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mipaingotra. Ahitsio
Fipaka: (paka) a.: Fomba entina mipaka. 1 Toetran'ny zavatra mipaka, mikaona, tonga hatramin'ny..,: Tsy tsara ny fipakan'ny farafara amin' ny rindrina. Ahitsio
Fipakana: (paka) a.: Fikaonana, fahatongavana hatramin' ny...; fidonana, fiadiana. Ahitsio
Fipakapaka: (pakapaka) a.: Fandeha midrahodraho (an' ny olona lava mitezotezo). Ahitsio
Fipalapala: (palapala) a.: Fandeha midrahodraho (an'ny olona lava mitez otezo). Ahitsio
Fipampàna: (pampana) a.: Toetran'ny olona mipampàna, izany hoe mitsapatsapa ao amin'ny maizina na noho ny toerana tsy dia mazava loatra na noho ny maso pahimpahina. Ahitsio
Fipampanana: (pampana) a.: Fitsapatsapana ao arnin'ny maizina, na noho ny maso pahimpahina. Ahitsio
Fipaohana: (paoka) a.: Fifaohana avy hatrany ary am-pahakingana; fakana zavatra an-keriny izay entina mandosttra: Ny fipaohan'ny papango ny zanak'akoho. Ahitsio
Fipaoka: (paoka) a.: Fomba entina mipaoka. e p.t.: Azo paohina. Ahitsio
Fipapapapana: (papapapa) a.: Famindrana maika mankatsy mankaroa noho ny fahaverezan-tsaina. Ahitsio
Fipararatana: (pararatra) a.: Fikararanana, fitetevana be. Ahitsio
Fipararatra: (pararatra) a.: Fikararana, toetran'ny zavatra mipararatra, izany hoe mite-te be: Ny fipararatran'ny siny loaka. Ahitsio
Fipararetana: (pararetra) a.: Fangovitana izaitsizy, fihovitrovitana toy ny rano an-dravina. Ahitsio
Fipararetra: (pararetra)a.: Toetran'ny zavatra mipararetra, mangovitra izaitsizy, mihovitrovitra toy ny rano an-dravina. Ahitsio