Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiosanosana: (osanosana) a.: Fomban'ny olona miosanosana, izany hoe mihinana mamosibosika aoka izany. Ahitsio
Fiosanosanana: (osanosana) a.: Fihinanana mamosibosika aoka izany, mandrepodrepoka, mandrapadrapaka. Ahitsio
Fiotazana: (otazana) a.: Fana-Pahana voankazo hiala amin' ny tahony, fanesorana hiala. Ahitsio
Fiotinotina: (otinotina) a.: Fomban'ny zavatra miotinotina, mihozongozona, mihetsiketsika. Ahitsio
Fiotinotinana: (otinotina) a.: Fihozongozonana, fihetsiketsehana. Ahitsio
Fiotra: (otra) a.: Fomban'ny olona miotra. Ahitsio
Fiotrehana: (otrfka) a.: Fipetrahana amin'ny toerana ma-fana mba ho masaka; Maharitro hafiriana ny fiotrehan' ny akondro ato amin'it9 efitra ity? 1 H.o,: Fihibohana an-trano. Ahitsio
Fiotrika: (otrika) a.: Toetran' ny zavatra miotrika, lzany hoe apetraka elaela amin'ny toerana iray mba ho masaka. Ahitsio
Fioty: (oty) a.: Fomba entina mioty. ~ p.t.: Azo otazana: Tsy mbola fioty ny uoaloboka ixao. Ahitsio
Fiova: (ova) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miova. Ahitsio
Fiovahana: (ovaka) a.: Fiendahana, fihefakefahana. Ahitsio
Fiovaka: (ovaka) o.: Fiendaka, fihefakefaka. Ahitsio
Fiovana: (ova) a.: Fanjariana ho hafa, fiofoan; Ny fiouan' ny gamoina ho lolo. ~ Fihatsarana na fiharatsiana: Tsy misy fiouan ny aretin-drainao. 1 Fivadihana: Ny uan'ny andro teo izay no nahabe aretina. Ahitsio
Fiovohana: (ovoka) a.: Fialana, fiesorana, fitsoahana. Ahitsio
Fiovoka: (ovoka) a.: Fomban' ny zavatra miovoka, izany hoe miala amin'izay niraiketany, miempaka. Ahitsio
Fioza: (oza) a.: Fomba entina mioza, izany hoe misasa (tarehy, tanana, tongotra). Ahitsio
Fiozana: (ozo) a.: Fisasana (ta-nana, tongotra, tarehy). Ahitsio
Fiozona: (ozona) o.: Fomba entina miozona, izany hoe miantso loza ho an'ny tena raha toa ka mivadika amin' ny fianianana. Ahitsio
Fiozonana: (ozona) a.: Fianianana iantsoana loza raha toa ka mivadika amin'ny fianianana. Ahitsio
Fipahimpahina: (pahina) a.: Ny toetran'ny maso mahita manjavozavo. Ahitsio