Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiongana: (ongana) a.: Fomba entina miongana, fomban'ny zavatra miongana, izany hoe miaulera ambony ambany. Ahitsio
Fionganana: (ongana) a.: Fianjerana ambony ambany, halavoana, fietrena, filetsena: Nampitolagaga ny olono rehetra ny fionganan'ny Minisitry ny.Fiongorana (ongotra) a.: Fialana hatramin'nY fakany. Ahitsio
Fiongotra: (ongotra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miongotra, miala hatramin'ny fakany. Ahitsio
Fionjinonjenana: (onjina) a.: Fidoladolana am-pamindrana somary miaingitra. Ahitsio
Fionjinonjina: (onjina) a.: Fomban'ny olona mionjinonjina, na midoladola somary miaingitra raha mamindra. Ahitsio
Fionkenana: (onkina) a.: Fikainkonana, fihoronana, fiforetana, fivonkenana. Ahitsio
Fionkina: (onkina) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mionkina, na mikainkona, miforitra. Ahitsio
Fionona: (onona) a,: Toetran' ny olona mionona, izany boa manaiky izay mihatra. Ahitsio
Fiononana: (onona) a,: Fitonena; fanekena ny anjara ka mandefitra izay mihatra. Ahitsio
Fiontana: (ontana) a.: Toetran' ny olona miontana, izany hoe mihendratra, mientampo tampoka. Ahitsio
Fiontanana: (ontana) a.: Fihendratana, fientanana, fahatairam-po tampoka. Ahitsio
Fiorana: (otra) a.: Fisafoana miaraka amin'ny fanindriana amin'ny tanna mba hampitsotsotra ny hozatra amin' ny faritra marary. Ahitsio
Fiorenana: (orina) a.: Fitsatohana, fitsanganana, fijoroana. Ahitsio
Fioretana: (oritro) a.: Fiforetana, fipitsohana. Ahitsio
Fioriana: (ory) a,: Alahelo, fahantrana. Ahitsio
Fiorihana: (orika) o.: Fiakarana any amin'ny toerana iavian' ny rano amin'ny renirano na ny ony (mifanohitra amin' ny fivalanana). Ahitsio
Fiorika: (orika) a.: Fomba entina miorika, izany hoe miakatra any amin'ny toerana iavian'ny rano amin'ny renirano (mifanohitra amin'ny fivalana). Ahitsio
Fiorina: (orina) a.: Fomba, toetran'ny zavatra miorina, mitsangana, mijoro. Ahitsio
Fioritra: (oritro) a.: Toetran' ny zavatra mioritra, izany hoe misy ketronketrona: Fioritry ny zamba no mahatonga io ketrona io. •Fahatapahana: Ny fioritry ny tanany no tsy ahafahany manoratra. Ahitsio
Fiory: (ory) a.: Toetran'izay malahelo, mijaly. Ahitsio