Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Finiavana: (nia) a.: Fanaovanjavatra an-tsitrapo; asan'ny sitrapo hanao na tsy hanao zavatra iray: Misaotra anareo tonga; mila finiavana ny fahatongavana at9 an-tany lavitra ats) amin'ny andro ratsy toy izao. Ahitsio
Finie: (nia) a.: Fomba entina minia, izany hoe manao zavatra an-tsitrapo. Ahitsio
Finitinitihana: (nitinitika) a.: Fahamaimaizana hanao zavatra amim-pieboeboana. Ahitsio
Finitinitika: (nitinitika) a.: Fomba entina minitinitika, izany hoe maimay hanao zavatra amimpieboeboana. Ahitsio
Finjifinjy: a.: Fangirifiriana na fihafihafiana noho ny aretina na ny fitondrana akanjo manery ny tena. - t.i.f.: Maminjifinjy, faminjifinjy 1 aminjifinjiana, faminjifinjiana j mifinjifinjy, fifinjifinjy 1 ifinjifinjiana, fifinjifinjiana 1 mahafinjifinjy. Ahitsio
Fino: (ino) a.: Fomba entina mino.l p. t.: Azo inoana. Ahitsio
Finoana: (ino) a.: Fitokiana izay voalazan'olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany 'Zao no nahavoa anao, 1 Herim-panahy mahatonga hi-no ny fisian-javatra tay hita maso _noho ny filazan'Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao. 1 Foto-kevitra iompanan'ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana. Ahitsio
Finomana: (inona) a.: Fisotroana tangena, - t.i.f.: Fampinomana. Ahitsio
Finomana: (fit.-p.) a.: Fisotroana. Ahitsio
Finona: (inona) a.: Fomba entina minona, izany hue misotro (tangena). Ahitsio
Finono: (nano) a.: Fomba entina minono. Ahitsio
Finonoana: (nono) a.: Fitsentsefana na fitrohana ny nono mba hisintonana ny ronono. Ahitsio
Fintana: a.: Vy kely ohatra ny paingotra misy motiny atao fanjonoana trondro. - t.i.f.: Fintanina, voafintana 1 mamintana, famintana, mpamintana 1 amintanana, famintanana / mahafintana. Ahitsio
Fintanina: (fintana) mt.ih. (fintano): Jonoina amin'ny fintana. Ahitsio
Fintina: a.: Fanakelezana; fanafohezana tsy hitarozaka, fanagejana ho kely mba tsy ha-ka toerana be: Tsara fintina mihitsy ato anaty fiarambahoaka ato1 t.i.f.: Fintinina, voafintina 1 mamintina,famintin,mpamintina 1 amintinana, famintinana 1 mifintina, fifintina, mpifintina 1 mahafintina / mafintina. Ahitsio
Fintinina: (fintina) mt. ih. (fintino): Gehezina na terena mba tsy hiborabora, hakelezina ny habe: Fintino tsara ity entana ity mba ho mora ny fitondrana azy, 1 Lazaina amin'ny teny fohy: Fintino ny tianao holazaina fa mitarozaka loatra. Ahitsio
Fintsa: a.: Akondro masaka vakina sy ahahy ho maina. Ahitsio
Fiobonobona: (obonobona) a.: Fomban'ny lamba miobonobona, izany hoe mibontsina eny am-pitafiana azy. Ahitsio
Fiobonobonana: (obonobono) a.: Fanabontsinana ny lamba tafina. Ahitsio
Fiodiana: (ody) a.: Fikarakarana, fitsaboana. Ahitsio