Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Finga: (Ski) a,: Lovia. Ahitsio
Fingadona: (ngadona) a.: Toetran'ny zavatra mingadona, izany hoe midona (toy ny feu re avy amin'ny tongotra mamindra na avy amin' ny fanoto itotoam-bary). Ahitsio
Fingadonana: (ngadona) a.: Fidobohan'ny fanoto. ? Fahatongavana: Amin'izao fingadonan'ny fetim-pirenena izao... Ahitsio
Fingafinga: a.: Famindra matetika noho ny tena voasakantsakan'ny akanjo tery. 1 Fingafingaina 1 mamingafinga, famingafinga, mpamingafinga 1 amingafingana, famingafingana 1 mifingafinga, fifingafinga, mpifingafinga I ifingafingan, fifingafingana I mahafingafinga. Ahitsio
Fingafingaina: (fingafinga) mt. ih. (fingafingao): Voaparapaingo ka voatery mamindra matetika. Ahitsio
Fingafingana: (fingafinga) a.: Fahasahiranana mamindra matetika. ? Enti-milaza ilay akanjo etiety mihitsy koa ka rehefa mandeha aminy voatery ho mateti-pamindra ary toa mifatopatotra ny tongotra. Ahitsio
Fingana: a.: Fanjerana na fandavoana amin'ny famelezana ny tongotra. ? H.o.: Tetidratsy hamelezana ny hafa. - t.i.f.: Finganina, afingana, voafingana 1 mamingana, famingan, mpamingan 1 aminganana, faminganana / mahafingana. Ahitsio
Finganina: (fingana) m t. ih. (fingano): Alavo amin'ny fainelezana ny tongotra eny ampandehanana na eny am-pihazakazahana: No! inganin 7. koto Isambilo ka nitrosina terp amin'ny tany. ~ Anaovana ankasomparana; Nofinganiny tamin'ny hevitra maizimaizina ilay sakaizany ka tsy tafarina intsony tamin' ny raharahany. Ahitsio
Fingenongenona: (ngenongenona) a.: Fomba entina mingenongenona, izany hoe mimenomenona, manao teny an' orona noho ny tsy fahafaliana. Ahitsio
Fingenongenonana: (ngenongenona) a.: Fimenomenonana, fanaovana teny an' orona no-ho ny tsy fahafaliana, fingonongononana. Ahitsio
Fingonongonona: (ngonongonona) a.: Fomba entina mingonongonona, izany hoe milaza na manonona teny tsy mazava tsara fa ao am-bava ao fotsiny. Ahitsio
Fingonongononana: (ngonongonona) a.: Filazana na fanononana teny tsy mazava tsara fa ao am-bava ao fotsiny. Ahitsio
Fingorana: (fingotra) mt,ih, (fingory): Atao amparapaingo, raisin amin'ny vozontongony,finganfna. Ahitsio
Fingorodona: (ngorodona) a.: Toetran'ny zavatra mingorodona, izany hoe mixohondrohona noho ny famindra. Ahitsio
Fingorodonana: (ngorodona) a.: Firohondrohonana noho ny famindra, ny fandeha. Ahitsio
Fingoso: (ngoso) a.: Fomba en-tins mingoso, izany hoe mianiana amin'ny olom-pady. Ahitsio
Fingosoana: (ngoso) a.: Fianianana,amin'ny olom-pady. Ahitsio
Fingotra: a.: (olona) Ilay faritra somary mifintimpitina eo ambonin'ny kitrokely nvozon-tongotra, indraindray ny ranjo mihitsy: Kely fingotra izany raha zazalahy. ~ (bibY) Ny fe aman-dranjo: Kely ohatra ny fingo-bafala. - t.i.f.: Fingorana, voafingotra 1 mamingotxa, famingotra, mpamingotra j amingorana, famingorana / mahafingotra. Ahitsio
Fingotra: a.: Hazo fakana dity matezaroritina izay anamboarana karazan-javatra maro–( toy ny kodiaran'ny fiarakodia, bisikilety... Ahitsio
Fingotra: a.: Hazo iray karazana amin'ny mangahazo, saingy lehibe tahatahaka ny foto-manga. Ahitsio