Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Finantsonantsona: (nantsonantsona) a.: Fomba entina minantsonantsona, izany hoe mipentsompentsona, mibedibedy lavareny. Ahitsio
Finantsonantsonana: (nantsonantsona) a.: Fibedibedena lavareny, fipentsompentsonana. Ahitsio
Finaonaona: (naonaona) a.: Fomban'ny bibY minonaona, mitomany valala. Ahitsio
Finaonaonana: (naonaona) a.: Fitaraindrainana, fitomaniana valala. Ahitsio
Finaritra: (f-in-aritra) mt.ih, mis), tsafoka in (finareta): Salama tsara: Manao ahoana ianareo fa izahay dia finaritra tsara daholo. ~ Miadana, sambatra: Finaritra izany fianakaviana izany satria miasa ary mifankatia. 1 Faly: Finaritra izy mitifi-borona any an-tsaha. 1 Voafaritra: Finari-bava (raikitra, voafetra, tapaka). - t.i.f.: Mahafinaritra 1 hafinaretana, fahafinaretana. Ahitsio
Finday:tenim-paritra tandrefana: fitondra. Minday: mitondra. Oh: tsy minday pasazy, tsy mitondra mpandeha Ahitsio
Finday:telefonina fitondra mandehandeha Ahitsio
Findra: a.: Fandehanana mba hiova toerana, fiovana toerana. - t.i.f,: Afindra, voafindra, tafafindra / mamindra, famindra, mpamindra 1 amindrana,famindrana Imifindra, fifindra, mpifindra 1 ifindrana, fifindrana / mahafindra. Ahitsio
Findramana: (indrana) a.: Fangatahana zavatr'olona mba hanaovana (oh. akanjo) na hiasana (oh. angady) vetivety. 1 Fiangaviana olona mba hanao raharahan'ny tena. Ahitsio
Findrana: (indrana) a.: Fomba enti-mindrana. ? p.t.: Azo indramina: Tsy mba findrana ny akanjo fanao anatiny. Ahitsio
Finehaneha: (nehaneha) a.: Fomban'ny olona minehaneha, minaikanaika, mana ampireharehana. Ahitsio
Finehanehana: (nehaneha) a.: Fanaovana fihetsika sy fiteny feno rehareha. Ahitsio
Finemonemona: (nemonemona) a.: Fomba entina minemonemona, mipetraka mibaminkamin. Ahitsio
Finemonemonana: (nemonemona) a.: Fipetrahana mihaminkamina somary mievotrevotra kely eny ambony soavaly, na filanjana, Ahitsio
Finendonendo: (nendonendo) a.: Toetran'ny zavatra minendonendo, izany hoe mandimandina. Ahitsio
Finendonendoana: (nendonendo) a.: Fahamandinn. Ahitsio
Finengo: (Atm) a.: Karazamboromailala maitso. Ahitsio
Finenonenona: (nenonenona) a.: Fimenomenona. Ahitsio
Finenonenonana: (nenonenona) a.: Fimenomenonana. Ahitsio
Finga: a.: Voatavo fitondrandrano. Ahitsio