Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fimonainana: (monaina) a.: Fitezerana olona mafy. Ahitsio
Fimonjomonjo: (monjomonjo) a.: Fomba entina mimonjomonjo, izany hoe mingonongonona noho ny tsy fahafaliana. Ahitsio
Fimonjomonjoana: (monjomonjo) o.: Fingonongononana noho ny tsy fahafaliana na hatezerana. ¶ M.h,: Fini onomononan a, fingonongononana, fimoimoy, fimoimoizana, fikoinkoinana. Ahitsio
Fimonjorana: (monjotra) a.: Fidongiana, tsY fahafaliana aseho amin'ny endrika toa midongy. Ahitsio
Fimonjotra: (monjotra) a.: Fomba entina mimonJotra, midongy, tsy faly, Ahitsio
Fimontorana: (montotra) a,: Fandondona; ny hatezerana. Ahitsio
Fimontotra: (montotra) a.: Toetran'ny olona montotra, fomba entina miseho ho montotra, izany hoe sosotra ka toa mibontsin'ny hatezerana ny tarehy. Ahitsio
Fimontsona: (montsona) a.: Fomba entina mimontsona, izany hoe manabontsina ny takolaka. Ahitsio
Fimontsonana: (montsona) a.: Fanabontsinana ny takolaka, fanaovana feno vava. • Havitsian-teny, fijomôka. Ahitsio
Fimozy: (mozy) a.: Fomba fitavozavozana. Ahitsio
Finaikanaika: (naikanaika) a.: Fomba entina minaikanaika, izany hoe manao zavatra amin-kasahiana tafahoatra. Ahitsio
Finaikanaikana: (naikanaika) a.: Fitenenana na fanaovana zavatra amimpanaovana mosalahy, amin-kasahiana be loatra, amim-pihamboana sy fireharehana. Ahitsio
Finainaina: (nainaina) a.: Fomba entina minainaina, izany hoe mimenomenona izaitsizy, mitaraindraina sy midradradradra. Ahitsio
Finainainana: (nainaina) a.: Fimenomenonana izaitsizy, fitaraindrainana sy fidradradxadrana. Ahitsio
Finamonamona: (namonamona) a.: Fomba entina mitsamontsamona, izany hoe mitsakotsako miaraka amin'ny fitenenana na fihirahirana. Ahitsio
Finamonamonana: (namonamona) a.: Fitsakotsakoana miaraka amin'ny fitenenana na fihirahirana. Ahitsio
Finananana: (nananana) a.: Fomba entina mikiakiaka, midradradradra. Ahitsio
Finanananana: (nananana) a.: Fikiakiahana,fidradradradrana, Ahitsio
Finantsanantsana: (nantsanantsana) a.: Fomba entina minantsanantsana, na mikiakiaka; toetran'ny zavatra mikarantsana. Ahitsio
Finantsanantsanana: (nantsanantsana) a.: Fitenenana mafy mikiakiaka amim-pahatezerana, fikarantsann. Ahitsio