Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fimaolamaolana: (maola) a.:Fipelipelehana, fijefiiefena. Ahitsio
Fimaona: (maona) a,: Fomba entina mimaona, na miriotra mafy, mandeha sady haingana no mafy. Ahitsio
Fimaonana: (maona) a.: Firiotana mafy, fandehanana sady haingana no mafy. Ahitsio
Fimasimasiana: (masimasy) a.: Fidarondaronana, fitaredretra, filasilasiana. Ahitsio
Fimasimasy: (masimasy) a.: Toetran'ny olona mimasimasy, mitaredretra, mitavozavoza. Ahitsio
Fimaso: (maso) a.: Fomba entina mimaso, na mikezaka izaitsizy, mikely aina. Ahitsio
Fimasoana: (maso) a.: Fikezahana, fikelezana aina: Ny fimasoana amin'ny asa ihany no isondrotana. Ahitsio
Fimeda: (meda) a.: Toetran'ny olona meda, na mitaredretra, mitaraikiraiky raha manao zavatra. Ahitsio
Fimedamedana: (meda) a,: Fitaredretana, fitaraikiraikena raha manao zavatra. Ahitsio
Fimeo: (meo) a.: Fomban'ny saka mimeo. Ahitsio
Fimintsimintsiana: (mintsimintsy) a.: Fifaliana, Ahitsio
Fimintsimintsy: (mintsimintsy) a.: Fomba endna mimintsimintsy, mifaly. Ahitsio
Fimiramirana: (mirana) a.: Fomba entina mimiramirana, miseho falifaly. Ahitsio
Fimiramiranana: (mirano) a.: Fifalifaliana aseho etp ivelany, firavoravoana, fisariadriahana. Ahitsio
Fimoimoizana: (moimoy) a.: Fimonomononan - katezerana. Ahitsio
Fimoimoy: (moimoy) a.: Fomba entina mimoimoy, na mi-m on om onon-katez e rang. Ahitsio
Fimokimokiana: (mokimoky) a.: Fiezahana mafy, fikikirana, fimokirana. Ahitsio
Fimokimoky: (mokimoky) a,: Fomba entina mimokimoky, miezaka mafy, mikikitra. Ahitsio
Fimokirana: (mokitra) a.: Fiezahana mafy, fikelezana ai-na, fikikirana. Ahitsio
Fimokitra: (mokitra) a.: Fomba entina mimokitra, miezaka mafy, mikely aine, Ahitsio