Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Filonjo: (lonjo) a.: Fomba entina milonjo, izany hoe mitondra enta-mavesatra samy irery, mitondra ny mafy tsy misy mpanampy. Ahitsio
Filonjoana: (lonjo) a.: Fitondrana enta-mavesatra samy irery; fitondrana ny mafy tsy misy mpanamPY. Ahitsio
Filopilopiana: (lopilopy) a.: Fipipizan'ny maso, fipendrampendran'ny hazavana. Ahitsio
Filopilopy: (lopilopy) a.: Toetran'ny hazavana milopilopy, na mipendrampendrana. Ahitsio
Filotahana: (lotaka) a.: Fisehoana ho malemy mifotetaka, efa mohaka, Ahitsio
Filotaka: (botaka) a.: Toetran' ny zavatra malemy sy efa mohaka. Ahitsio
Filotsaka: (lotsaka) a.: Toetran'ny zavatra milotsaka. Ahitsio
Filozofia: a.: Fianarana momba ny lalan-kevitry ny sain'ny olombelona ary misahana ny fandinihana momba ny saina amam-panahy, ny fiforonan' ny zavatra misy hitan'ny maso sy ny tsy hita, ary ny mety hisy aza. • Fomba ahazoan'ny mpandinika iray na antokon'olona iray an'ireo zavatra sahanin'ny filozofia: Filozofian'i Kant. /Filozofia malagas y. Ahitsio
Filozohana: (lozoka) a,: Filofosana amin'izay atao, fiezahana amin'ny fianarana. Ahitsio
Filozoka: (lozoka) a.: Fomba entina milozoka, milofo amin'izay atao, miezaka amin'ny fianarana. Ahitsio
Filozorana: (bozotra) a.: Fikikirana amin'ny asa iray nefa tsisy vokanY. Ahitsio
Filozotra: (lozotra) a.: Fomba entina milozotra, izany hoe mikikitra amin'ny asa iray, nefa tsy misy vokany. Ahitsio
Fima: (ma) a.: Fomban'ny omby mima. Ahitsio
Fimalo: (malo) a.: Fomban'ny olona mimalo, izany hoe matahotra tsy sahy mandroso na manao zavatra iray. Ahitsio
Fimaloana: (malo) a.: Fatahorana tsy sahy mandroso na manao. Ahitsio
Fimamamama: (mamama) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mimamamama, mamoaka feo mafy. Ahitsio
Fimamamamana: (mamama) a.: Famoahana feo mafy, mifofofofo, mimaona. Ahitsio
Fimamo: (mamo) a,: Fomba entlna mimamo, misotro zava-pisotro mahatonga very saina sy mirediredy. Ahitsio
Fimamoana: (mamo) a,: Fisotroana be ka mahatonga ho mamo: Raran'ny lalàna ny fimamoana eny amin'ny arabe. Ahitsio
Fimaola: (maola) a.: Fomba entina mimaola, izany hoe mijefiiefy. Ahitsio