Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Filetaletana: (letaleta) a.: Famindra miledaleda toy ny tsy mahazaka tena, fikonesanesana. Ahitsio
Filetra: (letra) a.: Fomba entina miletra, izany hoe mihitsoka, mihizina, namihinana be dia be. Ahitsio
Filetsena: (letsy) a,: Fietrena, filetahana: Nahafaty olona ny filetsen'ny valindrihana. 1 Fileferana noho ny lanjan' entana entina: Jereo ny filetsen'ny ir? Rangahy mpitondra entana! 1 Fihenan'ny vidin-javatra: Andrasana foana nY füetsen'ny uidin-kanina. Ahitsio
Filetsy: (letsy) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miletsy, izany hoe mietry, miletaka, na milefitra noho ny lanjan' entana entina, na mihena (vidin-javatra), Ahitsio
Filevenana: (levina) a.: Fisitrihana, flafenana; fijanonana ela be amin'izay aleha. Ahitsio
Filevina: (levina) a,: Fomba na toetran'ny zavatra milevina. Ahitsio
Filezolezo: (lezolezo) a.: Toetran'ny zavatra na olona malezolezo, na lava mahia. Ahitsio
Filezolezoana: (lezolezo) a.: Fijoroana malefolefo, milejolejo toy ny hiforitra. Ahitsio
Filiahana: (liaka) a.: Fimatimatesana, fimaimaizana. Ahitsio
Filiba: a.: Fomba entina miliba, na manaram-po tanteraka tsy voafehin'inona na inona. Ahitsio
Filibana: (liba) a.: Fanaranampo tanteraka, fanaovana ny tiana sy ny danin'ny kibo. 1 Fikarenjena, fitiavana lalao sy fahafinaretana. Ahitsio
Filihana: (ilika) a.: Fitangoronana, fidodododoana, fisisihana. Ahitsio
Filihirana: (lihitra) a.: Fikikirana, fahamalmaizana hanao zavatra; fanaovana (zavatra) tsy amim-piheverana. Ahitsio
Filihitra: (lihitra) a.: Fomba entina milihitra, na mikikitra hanao zavatra. Ahitsio
Filika: (ilika) a.: Fomba fitangorona, fidodododo. Ahitsio
Fililotra: (lilotra) a.: Fidirana any anatin'ny masonkoditra. Ahitsio
Filingilingiana: (lingilingy) a.: Fitoerana amfn'ny toerana avo eny an-tendrony. Ahitsio
Filingilingy: (lingilingy)a.: Toetra na fomban'izay milingilingy, na mitoetra amin'ny toerana avo. Ahitsio
Filingirana: na Filingitana (lingitra) a.: Fahamaimaizana hanao zavatra noho ny hajejoana, filihirana. Ahitsio
Filingitra: (lingitra) a.: Toetran'ny olona lingitra, maimay hanao zavatra noho ny ha{ejoana. Ahitsio