Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Filefana: Filefasana (lefa) a.: Fandosirana, firiatana, firidanana. Ahitsio
Fileferana: (lefitra) a.: Fiforetana. Ahitsio
Filefitra-: (lefitra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra milefitra, na miforitra, Ahitsio
Filefolefo: (lefolefo) a.: Toetran'ny zavatra milefolefo, izany hoe tay henjana fa malefaka nefa tsy tapaka. Ahitsio
Filefolefoana: (lefolefo) a.: Fileferana, fiforetana. Ahitsio
Filejolejo: (lejolejo) a.: Toetran' ny zavatra malefolefo, tsy henjana mihinjitra fa milefotra. Ahitsio
Filejolejoana: (lejolejo) a.: Fiforetana. Ahitsio
Filelafana: (lelaka) a.: Fampandalovana ny lela eo ambony zavatra. 1 Fandokadokafana fatratra tsy mendrika mba hahazoan-taitraka. 1 Firehetana be mamoaka lelafo avo be. Ahitsio
Filelaka: (lelaka) a.: Fomba entina milelaka. 1 P.t.: Azo lelafina. Ahitsio
Filelalela: (lelalela) a.: Fomba entina milelalela, izany hoe miantaoantso mafy: Mankarenin-tsofina ny filelalelan'ireo ankizy ireo ka roahy any. 1 Toetran'ny afo miredareda be: Nahatsiravina ny filelaielan'ny afo tamin'ilay hain-trano. / Toetran'ny ambavafo marary ka maimay toy ny mirehitra mihitsy: Marary ny ambavafoko ka tsy tohako ny filelalelany. Ahitsio
Filelalelana: (lelalela) a.: Famoahana lelafo miredareda; fikiakiavana mafy miantso na mihira; fahamaimaizan' ambavafo noho ny aretina na ny hanoanana. Ahitsio
Filembolembo: (lembolembo) a.: Fisalebolebo, filebolebo, faivivy, faloiloy. Ahitsio
Filendalenda: (lendalenda) a.: Fomba entina milendalenda. izany hoe maniry mafy hihinana. Ahitsio
Filendalendana: (lendalenda) a.: Faniriana mafy, fihoalahoalana te hihinana, ta hahazo. Ahitsio
Fileovana: (lao) a.: Fitambarain-paritany eo ambany fizakana na fifehezana iray na koa fitambaran'olona na foko voafehin'ny lalàna fraisa-na na manaraka fomba iray: Iray fileooana ireo tandna te-Io mifanakaiky ireo. Ahitsio
Filepahana: (lepaka) a.: Fiforetana ao ambany, fivarorahana, fandringana. Ahitsio
Filepaka: (lepaka) a.: Toetran' ny zavatra na olona milepaka, izany hoe mandringa somary miketraka, na mivaroraka. Ahitsio
Filerana: (lerana) a.: Fihizinana, fihitsohana, fisesehana: Tsy afaka mivoha ny oaraoarana noho ny fileran'ny fanalahidy ao anatin'ny hidintrano. 1 Fihinanana be dia be, fanaovana voky hatenda: Ny filerany uoankazo monta no nankarary azy. Ahitsio
Filesy: (fr, flèche) a,: Fitaovana ampiasaina hitorahana ny vorona hazaina indrindra, ka toy izao ny toetoetrany sy ny fampiasana azy: misy tady fingotra lavalava izay mifatotra na mizaitra amin'ny tendron'ny tahon-kazo kely misabaka ny Ianiny roa avy, ary eo afovoany, misy hoditra ipetrahan'ny vato. Henjanina ilay tady fingotra, dia vahana ny tanana namihina ilay vato, ka mandroso amin' izay io, manaraka ny fingotra miverina, ary dia mitsoriaka manitsy ny zavatra kendrena. Ahitsio
Filetaleta: (letaleta) a.: Fomba famindra miledaleda, na mamindra miledaleda ohatra ny tay mahazaka tena. Ahitsio