Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Filanonana: (lanonana) a.: Toerana malalaka na kianja anaovana dihy aman-kilalao amin' ny andro firavoravoana. Ahitsio
Filanto: (lanto) a.: Toetran'ny zavatra milanto, izany hoe mirindra, milamina tsara. Ahitsio
Filantoana: (lanto) a.: Filaminana, firindrana. Ahitsio
Filantsihana: (lantsika) a.: Fiforetana mankany ivoho, fitondrotan'ny eo anoloana. Ahitsio
Filantsika: (lantsika) a.: Toetran'ny olona na zavatra milantsika, izany hoe miforitra mankany ivoho, na mitondrotra eo anoloana. Ahitsio
Filao: (fr. filao) a.: Karazankazo avo mahitsy. Ahitsio
Filapa: (lapa) a.: Fomba entina milapa, izany hoe manao hira sy dihy alohan'ny famorana, Ahitsio
Filapana: (lapa) a.: Fanaovana hira sy dihy alohan'ny famorana. Ahitsio
Filasiana: (lasy) a.: Fitobiana, fandriana an-tsaha: Naharitra herinanadro ny filasian'ny miaramila tao Ananona. 1 Fivahiniana miaraka maro any aman'olona: Nahasorena an-dRabe ny filasian-dry Ra-koto tao aminy tamin'ny farany. Ahitsio
Filasy: (angl.-am. flash) a.: Tselatra hazavana amin'ny fakantsary ahafahana maka sary miaraka amin'izay. Ahitsio
Filasy: (lasy) a.: Fomba entina milasy, na mitoby, mandry an-tsaha. Ahitsio
Filatro: a.: Angentsan-kira ataon'ny mpihira sy mpitendry zavamaneno: Be filatro koa Rangahy io rehefa mitendry angorodao. Ahitsio
Filatsahana: (latsaka) a.: Fianjerana, firotsahana: Amin 'ny filatsahan'ny orana, uelombolo ny zavamaniry. 1 Fidinana: Tsy dia sarotra fa ilana fahasahiana ny filatsahana amin'ny elonaina, 1 Firotsahana, fidirana ho: Fiiatsahana ho miaramila. Ahitsio
Filatsaka: (latsaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra milatsaka, izany hoe mianjera na midina na mirotsaka. Ahitsio
Filaza: (laza) a.: Fomba entina milaza.l p.t.: Azo lazaina. Ahitsio
Filazana: (laza) a.: Fampahalalana: Filazana tamin'ny gazety no nahafantarako izany. 1 Fanambarana: Manao izao filazana izao ny Fitondrana reoolisionera. / Fitantarana: Araka ny filazan'ireo nanatri-maso, dia foira no isan'ny maty tamin'io loza io. Ahitsio
Filazantsara: a.: Anaran-kafa ilazana ny Evanjely na Evanjily, ny Vaovao mahafaly. Ahitsio
Filbmana: (lona) a,: Fijanonana maharitra ao anaty rano; fandroana. • Tavy lehibe a-tao fandroana. Ahitsio
Fileda: (leda) a.: Fomba fandeha mileda, izany hoe mande-ha milakolako. Ahitsio
Filefa: (lefa) a.: Fomba entina milefa, mandositra. Ahitsio