Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Filaikolaiko: (laikolaiko) a.: Fomba entina milaikolaiko, na mamindra milanto somary miangentsana. Ahitsio
Filaikolaikoana: (laikolaiko) a.: Famindrana milanto somary miangentsana, ary saika jejojejo mihitsy aza. Ahitsio
Filaingo: (laingo) a.: Fomba f anentenana laingo ny nify. Ahitsio
Filaingoana: (laingo) a.: Farnetahana ravin-daingo amin'ny nify mba hamotsiana azy, Ahitsio
Filamahana: (lamaka) a.: Fandriana midaboka amin'ny tany, fiamparana. Ahitsio
Filamaka: (lamaka) a.: Toetra na fomban'ny zavatra milamaka. Ahitsio
Filamatra: a.: Hazo mahitsy lehibe fitsapan'ny mpandmfitra sy ny mpandatsa-biriky ny fitovian-tantana. ? H.o,: Zavatra tsara tokony hatao fakan-tahaka: Ny herimpon' izany lehilahy nanao be ho an'ny tanindrazany izany no tokony halainareo ho filamatra. Ahitsio
Filambotra: a.: Sotro lehibe. ~ Karazana vano. Ahitsio
Filamina: a.: Fomba na toetran' ny zavatra milamina, na milanto sy mirindratsara. Ahitsio
Filaminana: (lamina) a.: Fipetrahan'ny zavatra tsars eo amin'ny anjara toerany avy: Ny filaminan'ny fanaka ao an-trano. ? Fiaraha-mitoetra amim-piraisan-tsaina: Mahafinaritra ny filaminan'ny mpiara-monina ao amin'ny fokontany. ~ Firindrana, tsy fisian-javatra manembantsembana: Aza matahotra ianao fa mandeha amim-pilaminana ny raharahantsika. Ahitsio
Filamparana: (lampatra) a.: Fanatsorana ny tongotra amantanana raha mandry. Ahitsio
Filampatra: (lampatra) o.: Fomba entina milampatra, na manatsotra ny tongotra amantanana raha mandry. Ahitsio
Filan-kevitra: a.: Fikambanan' olona vitsivitsy miara-mihevi-draharaha sy manapaka izay hatao: Filan-keoi-bahoaka. / Filan-kevitra faratampon'ny tolom piauotana. Ahitsio
Filana: (ila) a.: Faniriana: Filan'ny vatan'ny ankizy mihetsiketsika no mahatonga azy ho tia ialao, ~ Fanirian'ny nofo: Manaraka ny filany fotsiny io tovolahy io. ~ Fitadiavam-pivelomana, raharaha, asa: Mivarotra antsinfarany, izany no filan'io Rangahy to, - F,-p.' Füon'ny~ no fo, filandratsin'ny nofo: ny fitairlritan'ny nofo aman-dra. / Filan-dratsy: fitadiavam-bola na fikaramana amim-paharatsiana na mampiasa tsy fahamarinana. / Manao filon-draha tsy mahita: raharaha na asa atao mandra-pahita metimety na tsaratsara kokoa. * Ohab.: Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: Enti-milaza ny olona izay voatery tsy fidiny hifanona amin'ny raharaha fanaony (ny mpivaro-baliha matetika dia tsy maintsy mitendritendry ny valfhany roba hahahenoan'ny mpividy ny feony; tsy afaka hanao izany anefa Izy raha maty vady satria misaona). Ahitsio
Filanelina: (fr. flanelle) a.: Karazan-damba volonondry na landihazo maivamaivana ne-fa mafana. Ahitsio
Filangalanga: (langalanga) a,: Toetran'ny zavatra na olona milangalanga, izany hoe miteronterona amin'ny toerana avo, miringiringy, miavonavona, mianjonanjona. Ahitsio
Filangalangana: (langalanga) a.: Fijoroana avo be, fijoroahana; fiteronteronana, firingiringiana; fiavonavonana, fianjonanjonana. Ahitsio
Filanja: (lanja) a.: Fomba entina milanja. 1 p.t.: Azo lanjaina. Ahitsio
Filanjana: (lanja) a.: Asa atao rehefa milanja, izany hoe mi-tondra ambony soroka: Toy izao no filanjana ny entana amin'ny bao. Ahitsio
Filanjana: (lanja) a.: Zavatra voavoatra atao fitondrana olona lanjain'ny olona efadahy. Ahitsio