Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikotsetsa: (kotsetsa) a.: Fomba entina mipentsompentsona; fipentsompentsona. Ahitsio
Fikotsetsana: (kotsetsa) a.: Fipentsompentsonana. Ahitsio
Fikovaviana: (kovavy) a.: Fananana toetra vavivavy. Ahitsio
Fikovavy: (kovavy) a.: Toetran' ny lehilahy vavivavy fihetsika, fiteny... Ahitsio
Fikovilavila: (koviiauila) a.: Toetran'ny zavatra mikovilavila, izany hoe miolikolika, tsy mandeha mahitsy fa manketsy mankeroa. Ahitsio
Fikovilavilana: (kovilavila) a.: Fiolikolehana, tsy fandehanana mahitsy fa manketsy mankeroa. Ahitsio
Fikoy: (koy) a,: Fiaiky, figaga. Ahitsio
Fila: a.: Fomba enti-mila,1 Zavatra ilaina matetika: Zavatra filan'ny mpandrafitra ny tantanana. Ahitsio
Filadiladiana: (ladilady) a.: Fitadiavana hitsofotsofoka, hisisika. Ahitsio
Filadilady: (ladilady) a: Fomba entina miladilady, izany hoe mitady hitsofotsofoka, hisisika. Ahitsio
Filadirana: (laditra) a.: Fanaovana zavatra mitaredretra, miadana, tsy rototra. Ahitsio
Filaditra: (laditra) a.: Fomban' ny olona miladitra, izany hoe manao zavatra mitaredretra, tsy rototra, Ahitsio
Filafihana: (lafika) a.: Zavatra atao lafika. ? Fijanonana ela ao amin'olona iray mampiantrano ny tena. 1 Filozohana, fikezahana. Ahitsio
Filafika: (lafika) a.: Fomban' ny zavatra milafika, izany hoe misy lafika na fanambaniny ipetrahanY. Ahitsio
Filafila: a.: Fampitambazana, manaiky dia manda indray, ary toy izany hatrany hatrany toy ny te-hampijaly ilay olona ampanantenan-javatra. i t,i.f.: Mampifilafila,fampifilafila, mpampifilafila / ampifilafilana, fampifilafilana / mamilafila, familafila, mpamilafila / amilafilana, familafilana f ampifilafilaina. Ahitsio
Filafolafo: (lafolafo) a.: Fomba entina milafolafo, izany hoe mihetsiketsika, mihoalahoala roba hanangoly, hanintona ny maso. Ahitsio
Filafolafoana: (lafolafo) a.: Fihetsiketsehana, fihoalahoalana mba hanangoly, hanintona ny maso. Ahitsio
Filaharana: (laharana) a.: Fijoroana mitandahatra manaraka tsipika mahitsy. Ahitsio
Filahatra: (lahatra) a.: Fomba entina milahatra, na mijoro an-kisesy manaraka tsipika mahitsy. Ahitsio
Filahiana: (lahy) a.: Firafetana ara-batana mampiavaka ny lahy, organa amin'ny tenan' ny olombelona amantarana ny maha-lahy. Ahitsio