Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikotehana: (kotika) a.: Faharotehana. Ahitsio
Fikotika: (kotika) a.: Toetran' ny zavatra mikotika, na rotika. p. t,: Azo kotehina. Ahitsio
Fikotona: (kotona) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikotona, izany hoe mifanety, mifanizina fatratra. Ahitsio
Fikotonana: (kotona) a.: Fifaneten-doatra, fihanizinana fatratra. Ahitsio
Fikotra: a: Fakofako na korontan-javatra maloto. Ahitsio
Fikotrakotrahana: (kotrakotraka) a.: Fangotrahana, fandevezana miketriketrika. Ahitsio
Fikotrana: (kotrana) a.: Fomban'ny olona mikotrana, na mifampipoka, mifanditra, mitabataba. Ahitsio
Fikotranana: (kotrana) a.: Fifampipohana, fifandirana, fitabatabana. Ahitsio
Fikotrefahana: (kotrefa, kotreā€¢ faka) a.: Fandringana, fikotringana. Ahitsio
Fikotrefaka: (kotrefa, kotrefaka) a.: Fomban'ny olona mikotrefaka, na mandringa. Ahitsio
Fikotrehana: (kotrika) a.: Fambomban'ny reniakoho ny atody mba hanafana azy ka hahafoy azy. Ahitsio
Fikotretrehana: (kotretraka, kotretrika) a.: Fitomaniana lava, fodiana mitomany. Ahitsio
Fikotretrika: (kotretraka, kotretrika) a.: Fomban'ny zaza mikotretrika, izany hoe mitomany lava na mody mitomany. Ahitsio
Fikotrika: (kotrika) a.: Fomba entina mikotrika, izany hoe mambomba ny atody mba hahafoy azy. Ahitsio
Fikotringa: (kotringa) a.: Fomban'ny olona mikotringa. Ahitsio
Fikotringana: (kotringa) a,: Fitongilanam-pamindra, fandringana. Ahitsio
Fikotrohana: (kotroka) a.: Fipoahana: Fikotroha-nify (enti-milaza fijaliana tsy eran-tany ka mahatonga fangovitan' ny tena, fipoapoahan'ny nify mikatrokatroka). ? Fianjerana mitalakotrokotroka. Ahitsio
Fikotroka: (kotroka) a: Toetran'ny zavatra mikotroka, Ahitsio
Fikotsaba: (kotsaba) a.: Fomba entina mikotsaba, izany hoe mandeha ao anaty rano na hotsaka. Ahitsio
Fikotsabana: (kotsaba) a.: Fampamoahana feo ny rano amin'ny fitsabahan'ny tongotra. Ahitsio