Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikoro: (koro) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikoro, na mianjera misavorovoro. Ahitsio
Fikoroana: (koro) ci.: Fianje- Fik rana misavorovoro; fikorontanana. Ahitsio
Fikorobobo: (korobobo) ci.: Fomba entina mikorobobo, izany hoe manao faingana. Ahitsio
Fikoroboboana: (korobobo) a.: Fanaovana haingana; fahadodonana, fahamaikana. Ahitsio
Fikorododo: (korododo) a.: Fomban'ny olona mikorododo, izany hoe malka hanao zavatra, maimay. Ahitsio
Fikorododoana: (korododo) a.: Fahamaikana, fahadodonana hanao zavatra. Ahitsio
Fikorodona: (korodona) a.: Fomba entina mikorodona, izany hoe miara-mamindra maro ka midondona na min• gadongadona ny fandeha. Ahitsio
Fikorodonana: (korodona) a.: Fandehanana maro manao dia .maika ka mingodongodona; fingodongodona rehefa mandeha. Ahitsio
Fikorofohana: (korofoka) a.: Fanetsiketsehana ny tongotra aman-tanana. Ahitsio
Fikorofoka: (korofoka) a.: Fomba entina mikorofoka, na manetsiketsika ny tongotra aman-tanana toy ny olona voan'ny androbe. Ahitsio
Fikorombiana: (koromby) a.: Fialofana; fiarovana (tena) amin'ny... Ahitsio
Fikorombimbiana: (korombimby) a.: Fanaovana araka izay azo atao; fisasarana, fisahiranana mafy. Ahitsio
Fikorombimby: (korombimby) ci.: Fomba entina mikorombimby, izany hoe manao ara-ka izay azo atao. Ahitsio
Fikoromby: (koromby) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikoromby, na mialoka, miaro tena amin'ny... Ahitsio
Fikorongo: (korongo) a.: Toetran'ny zavatra mikorongo, izany hoe miforitra, mifolaka. Ahitsio
Fikorongoana: (korongo) a.: Fiforetana, fifolahana. Ahitsio
Fikorontana: (korontana) a.: Fomba na toetran'ny zavatra na olona mikorontana. Ahitsio
Fikorontanana: (korontana) a: Tsy filaminana, fisafotofotoana. • Tsy fifanarahana, tabataba, fitabatabana. Ahitsio
Fikoropahana: (koropaka) a.: Fihetsehana toa tsy voahevitra loatra, ka tsy mandeha amin'lzay izy ny atao noho ny fahamaikana na ny hamaimaizana. Ahitsio
Fikoropaka: (koropaka) a.: Fomba entina mikoropaka, izany hoe mihetsika maika sy maimay ka toa tsy voahevitra loatra izay atao. Ahitsio