Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikorana: (korana) a.: Fomba entina mikorana, miresaka falifaly. Ahitsio
Fikoranana: (korana) ci.: Firesahana falifaly ifanaovan'ny iray tam-po na ny mpisakaiza. Ahitsio
Fikorandendena: (korandendy) a.: Fisafotofotoana tsy misY filaminany, fahalotoana. Ahitsio
Fikorandendy: (korandendy) a.: Toetran'ny olona mikorandendy, misafotofoto tsy misy filaminana. Ahitsio
Fikorapahana: (korapaka) ci.: Fahamaikana, firotorotoana, fivarinana, fianjerana. Ahitsio
Fikorapaka: (korapaka) a.: Fomba entina mikorapaka, izany hoe manao fihetsfka mirotoroto tsy voahevitra. Ahitsio
Fikoraraihana: (koraraika) a.: Fanaovana feo mikoraraika. Ahitsio
Fikoraraika: a.: Feon'ny akohovavy mikotrika. Ahitsio
Fikoretehana: (koretika) a.: Fikorontanana, fisafotofotoana, fisavorovoroana. 4> Fanaovana rango-tsaka, 1 Fiboredehana. Ahitsio
Fikoretika: (koretika) a: Toetran'ny zavatra na olona mikoretika, na mikorontana, misafotofoto, misavorovoro. Ahitsio
Fikoretsehana: (koretrika) a.: Fihahohahoana. Ahitsio
Fikoretsika: (koretsika) a.: Fihahohaho. Ahitsio
Fikoriana: (koriana) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikoriana na mandeha midina moramora, misosa ho azy. Ahitsio
Fikorianana: (koriana) o.: Fandehanan'ny rano midina moramora, fandehanana tsara, fisosana ho azy; fitenenana misononoka tsy miambatrambatra. Ahitsio
Fikorintsana: (korintrana) a.: Toetran'ny zavatra mikorintsana na mamoaka feo mafy mikitrana. Ahitsio
Fikorintsanana: (korintsana) a.: Famoahan'ny voan-javatra maina ao anaty akorany feo mikitrana. Ahitsio
Fikorirarira: (korira) a.: Fomba entina mikorirarira, izany hoe mandany andro amin'ny vazivazy sy ny hatsikana. Ahitsio
Fikorirarirana: (korira) a.: Fisangisangiana, fanaovana kivazivazy, fandaniana andro amin'ny fanaovana kivazivazy sy hatsikana. Ahitsio
Fikorisa: (korisa) a.: Fomba entina mikorisa, na fomban' ny zavatra mikorisa, izany hoe mikisaka midina ka mikororosy fa tsy mivadibadika. Ahitsio
Fikorisana: (korisa) a.; Fibolisarana, fikisahana midina ka mikororosy fa tsy mivadibadika. Ahitsio