Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikonantitra: (konantitra, rakonantitra) a.: Fomba entina mikonantitra, na maka endrik'olona antitra. Ahitsio
Fikondendenana: (kondendy) ci.: Fikarakarana ny kanonkanon-tokantrano, fisaritahana amin'ny fahandroantsakafo. Ahitsio
Fikondendina: (kondendy) a.: Fomba entina mikondendina, izany hoe mikarakara ny kanonkanon-tokantrano na misaritaka amin'ny fahandroan-kanina. Ahitsio
Fikonesa: (konera) a.: Fomban' ny olona mikonesa na midaikadaika sempotsempotra no-ho ny balehibeazana. Ahitsio
Fikonesana: (konesa) a.: Fidaikadaika, firisarisana somary sempotsempotxa noho ny halehibeazana, Ahitsio
Fikonetahana: (konetaka) a.: Fihantahantana, fitaraindrainan-dava fa te hokarakaraina baba kokoa. Ahitsio
Fikonetaka: (konetaka) a.: Fomban'ny olona mikonetaka, izany hoe mihantahanta, mitaxaindrain-dava fa te hokarakaraina. Ahitsio
Fikonfesena: (konfesy) ci.: Filazana ny fahotana amin'ny pretra mba hahazoana famotsorana. Ahitsio
Fikonfesy: (konfesy) a.: Fomba entina mikonfesy. Ahitsio
Fikononkonona: (kononkonona) ci.: Fomba entina mikononlionona, izany hoe manafinafln-javatra, na manao zavatra an-takona. Ahitsio
Fikononkononana: (kononkonona) a.: Fanafinafenana, fanakontakonana. 1 Fanaovanjavatra an-takona, an-katakonana. Ahitsio
Fikopahana: (kopaka) a.: Fihetsiketsehan'ny zavatra iray izay tsofin'ny rivotra: Mahafinaritra ny mi/ery ny fikopahan'ny raina! e Fihetsiketsehan'ny elatry ny vorona rehefa manidina: Miadana ny fikopahan'ny eiatry ny miro-na lehibe. Ahitsio
Fikopaka: (kopaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikopaka. Ahitsio
Fikopaka: a.: Felan-javatra voamboatra izay ahetsiketsika mba hahazoandrivotra, Ahitsio
Fikopiazana: (kopia) a.: Fandikana soratra mitovy tsara amin'ny taratasy hafa, dika soratra. Ahitsio
Fikopilapila: (kopilapila) a.: Fandeha mivilavila sy mitsivaka. Ahitsio
Fikopilapilana: (kopiiapila) a.: Fandehanana mivflavila sy mitsivaka. Ahitsio
Fikopohana: (kopoka) a.: Fikofohana, fihetsehana mahery mba hahafahana amin' ny zavatra mibeda na mamatotra ny tena. Ahitsio
Fikopoka: (kopoka) a.: Fomba entina mikopoka, izany hoe mihetsika mahery, mikofokofoka. Ahitsio
Fikoràka: (kordka) a.: Fomban'ny akohovavy mikoràka, izany hoe manao feo manokana izay fanaony rehefa avy manatody na raha misy zavatra atahorany. Ahitsio