Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikojakojana: (koja, kojakoja) a.: Fikarakarana, fitandremana fatratra, fandamindaminana. Ahitsio
Fikokokoko: (kokokoko) a.: Toetran'ny olona mikokokoko, mahantra fadiranovana. Ahitsio
Fikokokokoana: (kokokoko) a,: Fahantrana valons, fahoriana. Ahitsio
Fikolelafana: (kolelaka) a.: Filana fitia amin'ny dokadoka, fanehoana fiforetana ambany dia ambany amin'olona iray dokadokafana. ¶ M.h: Fisolelahana.Fikolelaka (koleiaka) a,: Fomba entina mikolelaka, izany hoe mila fitia amin'ny dokadoka, maneho fiforetana ambany dia ambany amin'olona dokadokafana. ¶ M.h.: Fisolelaka. Ahitsio
Fikolepahana: (kolepaka) a.: Fandringana. Ahitsio
Fikolepaka: (kolepaka) a.: Fomban'ny olona mandringa; fandringa. Ahitsio
Fikolialia: (kolialia) a.: Fomba entina mikolialia, na mihodivitra, mibolidy. Ahitsio
Fikolialiavana: (kolialia) a.: Fihodivirana, fibolidiana, fibisiohana. Ahitsio
Fikolokolo: (kolokolo) a.: Fomba entina mikolokolo, izany hoe mitandrina fatratra sy manao izay hahasoa lalandava. Ahitsio
Fikolokoloana: (kolokolo) a.: Fikarakarana, fitandremana fatratra sy fanaovana izay hahasoa lalandava; fikojakojana, fikaiakaiana. Ahitsio
Fikolokoloana: (kolokolo) a.: Fiantsoana (ny vorontsiloza). Ahitsio
Fikombiana: (komby) a.: Fitoerana ao anaty komby ma-fana. Ahitsio
Fikomby: (komby) a.: Fomba entina mikomby na fomban' ny olona mikomby, izany hoe mitoetra ao anaty komby (fefy anakonana, indrindra ny mpifana). Ahitsio
Fikomiana: (komy) a.: Firaisan-tetika mba hanongana ny fahefana misy, mba handrombaka ny fahefam-paniakana; fiodinana. Ahitsio
Fikomy: (komy) a.: Fomba entina mikomy, na miray tetika mba hanongana fanjakana. Ahitsio
Fikonaina: (konaina, konainaina) a.: Fomban'ny biby na ny olona mikonaina na mitaraindraina lavareny. Ahitsio
Fikonainaihana: (konaika, konainaika) a.: Fitolokolokoana sy fikonetahana, fidridridriana sy fararemotra. Ahitsio
Fikonainaika: (konaika, konainaika) a.: Fomban'ny olona na biby mikonainaika, izany hoe mitolokoloko sy mikonetaka. Ahitsio
Fikonainana: Fikonainainana (konaina, konainaina) a.: Fitaraindrainana lavareny, fitolokoana, fimonomononana. Ahitsio
Fikonantitra: (konantitra, rakonantitra) a.: Fakana endrika Rangahibe na Rafotsibe. Ahitsio