Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikizoana: (kizo) a.: Ny fahalatsahana anatin'ny fahantrana, ny fahalaniam-pananana. ? Ny fandehanana indray maka alohan'ny hahafatesana (fanorona). Ahitsio
Fikoa: (koa) a,: Fomba na toetran'ny zavatra mikoa, izany hoe mianjera mikororosy, midaboka rehefa avy miendaka. Ahitsio
Fikoavana: (koa) a.: Fianjerana mikororosy, fidabohana rehefa avy miendaka. Ahitsio
Fikobaba: (kobaba) a.: Fomban'ny olona mikobaba, izany hoe mikotaba noho ny fahatairana. Ahitsio
Fikobabahana: (kobabaka) a.: Fimenomenonana sY fikoratabana noho ny fahavoazana; fahadodonana noho ny fitiavana na fanajana, Ahitsio
Fikobabaka: (kobabaka) a.: Fomba entina mikobabaka, izany hoe mimenomenona sy mikorataba noho ny fahavoazana. Ahitsio
Fikobabana: (kobaba) a.: Fitenenana na fanaovana zavatra maika, mitabataba ary milravatravatra, Ahitsio
Fikobahana: (kobaka) a,: Fihetsiketsehana ao anaty zavatra. ~ Fampidiran-drano ao an-tanimbary mba hahatonga zezika an'ireo vody tahombary nojinjaina ka voasoroka. Ahitsio
Fikobaka: (kobaka) a.: Toetran' ny zavatra mikobaka, izany hoe mihetaiketsika ao anaty zavatra. Ahitsio
Fikobana: (kobona) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mikobana, izany hoe mihetsika indray rehefa avy nandry rifla-mina tsara. Ahitsio
Fikobanana: (kobana) a.: Fihetsehan'ny rano indray, izay efa nandry nilamina tsara; fitsobohan'ny lamba sasana ao anaty rano madio mba ho afa-dranon-tsavony; fihontsankontsanana, fahalalahan' ny akanjo loatra. Ahitsio
Fikobankobana: (kobankobana) a.: Toetran'ny zavatra mikobankobana, na mibontsina (akanjo) noho izy malalaka loatra. Ahitsio
Fikobankobanana: (kobankobana) a.: Ny fibontsinan'ny akanjo malalaka tsy mifetaka amin'ny tena. Ahitsio
Fikobonana: (kobona) a.: Fixakofana tanteraka ny tena manontolo ao anaty na ao ambany lamba. Ahitsio
Fikodadahana: (kodada, kodadaka) a.: Fitenenana haingana mifangaroharo noho ny fihetseham-po mahery toy ny fahatairana. Ahitsio
Fikodadaka: (kodada, kodadaka) a,: Fomban'ny olona mikodadaka, izany hoe mitenY haingana mifangaroharo no-ho ny fihetseham-po mahery toy ny fahatairana. Ahitsio
Fikodana: (kodàna)a.:Toetran' ny zavatra mikodiina, malalaka be. Ahitsio
Fikodedena: Fikodedehana (kodedy, kodedika) a.: Fitenenana haingana izay mile tsy ho fantatra fa mifangaroharo. Ahitsio
Fikodedy: Fikodedika (kodedy, kodedika) a.: Fomban' ny olona mikodedy na mikodedika, izany hoe miteny haingana loatra ka mila tsy ho fantatra izay lazainy no-ho ny teny mifangaroharo. Ahitsio
Fikodia: (kodia) a,: Fomban' ny zavatra na olona mikodia, izany hoe mivadibadika ambony sy ambany na mihodinkodina eo am-pandehanana. Ahitsio