Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikitoatoavana: (kitoatoa) a.: Fanaovan-javatra tsy am-piheverana fa izay alehany alehany any fotsiny. Ahitsio
Fikitokitohana: (kitoka, kitokitoka) a.: Fitezerana. Ahitsio
Fikitokitoka: (kitoka, kitokitoka) a.: Fomban'ny olona mikitokitoka, izany hoe tezitra mila vaniny, mila tonony. Ahitsio
Fikitokitona: (kito) a.: Toetran'ny olona mikitokitona, na mora tezitra, saro-po. Ahitsio
Fikitokitonana: (kitokitona) a.: Fananan-toetra malonilony lava, soso-dava. Ahitsio
Fikitongatonga: (kitongatonga) a.: Toetran'ny tany tsy marin-tampon, mikitoantoana. Ahitsio
Fikitra: n: Fitazonana mafy, fisarangotana. - t.i.f.: Afikitra, fikirina / voafikitra, mamikitra, famikitra, mpamikitra 1 amikirana, famikirana 1 mifikitra, fifikitra, mpifikitra j ifikixana, fifiklrana j mahafikitra. Ahitsio
Fikitra: (kitra) Fomba na zavatra entina mikitra, izany hoe misikotra angely hampiadina. Ahitsio
Fikitra: a.: Teny enti-milaza tongotr'angely afatotra amin'ny bozaka kely ka isokirana ny angely any anaty lavany ary ihantsiana azy hiady. i, Fiten,: Fikitra mampiady angely: enti-milaza olona entina mihantsy ady, manao izay hiadian'ny hafa. Ahitsio
Fikitrana: (kitra) a.: Famporisihana hiady; fanakorontanana, fanakotranana. Ahitsio
Fikitranana: (kitrana) a,: Famoahana feon-javatra maro toy ny vy mifampikasoka; fifandixana; habetsatiana. Ahitsio
Fikitro: (kitro) a.: Fomba entina mikitro, izany hoe mametraka (vatom-panorona) eo amin'ny tampina anankiroa tsy mifanitsy. Ahitsio
Fikitroana: (kitro) a.: Fametrahana (vatom-panorona) eo amin'ny tampina anankiroa tsy mifanitsy, Ahitsio
Fikitrohana: (kitroka) a.: Fifanerena, fifanizinana: Mahagaga ny fikitrohan'ny hazo amin'it9 ala ity, 1 Fidilorana: Any (amin'ny afobe) no misy fitomaniana sy fikitroha-nify. Ahitsio
Fikitroka: (kitroka) a,: Fomban'ny zavatra mikitroka, matevina, midilotra, Ahitsio
Fikiviliviliana: (kivilivily) a.: Fihetsiketsehana (zavatra la-va mihantona) mankatsy mankaroa. Ahitsio
Fikivilivily: (kivilivily) a.: Fomban'ny zavatra mikivilivily, izany hoe mihetsiketsika miankavia miankavanana. Ahitsio
Fikizahana: (kizaka) a,: Fanesoana, fanomezan-tsiny, famelivelezana, fandevilevena, fam oap oahana. Ahitsio
Fikizaka: (kizaka) a.: Fomba entina mikizaka. 1 p.t.: Azo kizahina. Ahitsio
Fikizo: (kizo) a.: Toetran'ny olona mikizo, izany hoe latsaka amin'ny fahantrana. Ahitsio