Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikiniania: (kiniania) a.: Fomba entina mikiniania, na mamazivazy, mananihany antsitrapo, Ahitsio
Fikinianiavana: (kinia) a.: Famazivaziana, fananihaniana an-tsitrap o. Ahitsio
Fikintona: (kintona) a.: Fomban'ny olona mikintona, izany hoe sorisorena, midongy, Ahitsio
Fikintonana: (kintona) a.: Fahasorisorenana, fidongiana, fizihirana. Ahitsio
Fikipahana: (kipaka) a.: Fialana, fiendahana. Ahitsio
Fikipaka: (kipaka) a.: Fiais, fiendaka. Ahitsio
Fikipilizana: (kipily) a,: Fitorahana amin'ny zavatra izay toa mihodinkodina alohan' ny hiantefany. Ahitsio
Fikipily: (kipily) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikipily, Ahitsio
Fikira: (kira) a.: Fomba entina mikira, izany hoe manala ny tsiratsira-dravina. Ahitsio
Fikiramborambo: (kiramborambo) a.: Toetran'ny zavatra mikiramborambo, izany hoe mihantona ka mikirazorazo, Ahitsio
Fikiramboramboana: (kiramborambo) a.: Fihantokantonana ka mikirazorazo. Ahitsio
Fikirana: (kira) a.: Fanalanany tsiratsira-dravina. Ahitsio
Fikiraro: (kiraro) o.: Fomba entina mikiraro, Ahitsio
Fikiraroana: (kiraro) a.: Fitondrana kiraro. Ahitsio
Fikiraviravezana: (kiraviravy) a.: Fihantonana ary fikirazorazoana tsy mitehika amin' ny tany. Ahitsio
Fikiraviravy: (kiraviravy) a.: Toetran'ny zavatra mikiraviravy. Ahitsio
Fikirazorazo: (kirazorazo) a,:Toetran'ny zavatra mikirazorazo. Ahitsio
Fikirazorazoana: (kirazorazo) a.: Fihantonana mihevaheva tsy mitehi-tany, Ahitsio
Fikiribibiana: (kiry) a.: Fitanana mafy ny hevitry ny tena tsy azo atao ahoana amin' ahoana. Ahitsio
Fikiribiby: (kiry) a.: Fomba entina mikiribibY. Ahitsio