Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikidona: (kidona) a.: Toetran' ny lalana na ny arabe migodana, Ahitsio
Fikidondona: (kidondona) a.: Toetran'ny zavatra mikidondona, izany hoe mamoaka feo toy ny an'ny zavatra ho-boisa aty. Ahitsio
Fikidondonana: (kidondona)a.: FanenoanJavatra hoboka atY, Ahitsio
Fikifihana: (kifika) o.: Tsy fanekena, fandavana, fanodinana ny loha ho mariky ny fandavana. Ahitsio
Fikifika: (kifika) a: Fomba entina mikifika, na manodina ny loha ho mari-pandavana. Ahitsio
Fikifina: (kifina) a,: Fomba entina mikifina, na mamoaka fofon'aina any an'orona. Ahitsio
Fikifinana: (kifina) a.: Famoahana fofon'aina any an'orona. Ahitsio
Fikihaihaizana: (kihaihay) a.: Famazivaziana, fanaovana vosobosotra angaronan-dela. Ahitsio
Fikihaihay: (kihaihay) a.: Fomba entina mikihaihay, izany hoe mamazivazy, manao vosobosotra hangaxonan-dela. Ahitsio
Fikija: (kila) a.: Fomba na toetran'ny orana milatsaka tsy misy fiatoana: Odra! ity fikijan'ny orana! Ahitsio
Fikijana: (kija) a.: Filatsahan' ny orana tsy misy fiatoana. Ahitsio
Fikikikikiana: (kikikiky) a.: Fihomehezam-poana, fikanikaniana tsy misy antony akory. Ahitsio
Fikikikiky: (kikikiky) a.: Fomba entina mikikikiky, na mihomehimehy foana, mikanikany tsy misy antony. Ahitsio
Fikikirana: (kikitra) a.: Filozohana, fikirizana, fikelezana ailla. Ahitsio
Fikikisana: (kiky) a.: Fikaohana mba hampanify; fanalana ny hodi-mangahazo ivelany na ny kiran-trondro; fanalana sombiny miraikitra, Ahitsio
Fikikitra: (kikitra) a.: Fomba entina mikikitra, na milozoka, mikely aina, mikiry. Ahitsio
Fikiky: (kiky) a.: Fomba entina mikiky, na mikaoka mba hampanify, manala sombiny miraikitra. Ahitsio
Fikiliolio: (kiliolio) a.: Fomba na toetran'ny olona mikiliolio, izany hoe mivezivezy, mivoivoy, tsy marin-toetra. Ahitsio
Fikilioliovana: (kiliolio) a.: Fivezivezena, fivoivoizana; tsy fahamarinan-toetra. Ahitsio
Fikimbato: (kimbato) a.: Fomban'ny olona mikimbato, izany hoe tsy miteny, tsy mamaly, Ahitsio