Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiketrahana: (petrako) a,: Sezam-piandrianana ipetrahan' ny mpanjaka, ny filoha ambonim-pirenena. Ahitsio
Fiketrahana: (ketraka) a.: Fihalefahana, figedragedrana, fahakiviana: Ny fiketrahan'ny tady. Ahitsio
Fiketraka: (ketraka) a.: Fomba, toetran'ny zavatra miketraka, izany hoe mihalefaka, migedragedra. Ahitsio
Fiketrehana: (ketrika) a.: Fampangotrahana, fahandroana. Ahitsio
Fiketrika: (ketrika) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miketrika, izany h oe mangotraka. Ahitsio
Fiketrona: (ketrona) a.: Toetran'ny zavatra miketrona. Ahitsio
Fiketronana: (ketrona) a.: Fiforetana, fivalonana, fikainkonana, fisiana fivalombalonana amin'ny tarehy: Ny fiketronana, hono, no mariky ny fahanterana. Ahitsio
Fiketsoketso: (kat-ro) a.: Fomban'ny olona miketsoketso, izany hoe mipentsompentsona, miteniteny foana. Ahitsio
Fiketsoketsoana: (ketso) a,: Fipentsompentsonana, fitenitenenam-poana, milaza izay tsy tokony holazaina; fahabasiam-bava. Ahitsio
Fikevohana: (kevoka) a.: Firehaka, fieboeboana. Ahitsio
Fikevoka: (keuoka) a,: Toetran' ny olona mikevoka, mirehaka, mieboebo. Ahitsio
Fikezahana: (kezaka) a.: Fanaovana araka izay azo atao, fanaovana izay tratry ny ai-na: Tzy ampy fikezahana ny zanakao no tsy androsoany amin'ny fianarana Ahitsio
Fikezaka: (kezaka) a.: Toetran' ny zavatra mikezaka, na mihaety, mifintina. ~ Fomban' ny-otona mikezaka na manao araka izay tratry ny aina. Ahitsio
Fikiahana: (kiaka) a.: Fanaovana feo taitra mikarantsana mafy: Ny fikiahany no nahalalana ny toerana namonoan' ny olona azy. Ahitsio
Fikiahana: (kiaka) a.: Fisoritana. Ahitsio
Fikiaka: (kiaka) a.: Toetran'ny zavatra mikiaka, na misy soritra. Ahitsio
Fikiaka: (kiaka) a,: Fomba entina mikiaka, na manao feo mafy mikarantsana. Ahitsio
Fikiakiahana: (kiakiaka) a.: Fiantsoantsoana mafy mankarenin-tsofina. Ahitsio
Fikiakiaka: (kiaka) a: Fomba entina mikiakiaka. Ahitsio
Fikidanodanohana: (kidanodanoka) a.: Famindrana malako, midoladola. Ahitsio