Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikatsaka: (katsaka) a.: Fomba entina mikatsaka. ? p.t.: Azo katsahina. Ahitsio
Fikatsakatsahana: (katsaka) a.: Fandehandehanana etsl' sy er?, fivoivoizana, fihaodihaodiana, fisodisodiana, fisaodisaodiana. Ahitsio
Fikatsakatsaka: (katsaka) a.: Fomba entina mlkatsakatsaka, na mandehandeha ets? sy erĀ§, mivoivoy. Ahitsio
Fikatsaoka: (katsaoka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikatsaoka, izany hoe mamoaka feo manokana toy ny an' ny zavatra latsaka ao anaty rano na fotaka. Ahitsio
Fikatso: (katso) a.: Fomba entina mampiady, mampisaraka ny mpifankatia, ma-nimba ny fihavanana. Ahitsio
Fikefona: (kefona) a.: Fomban'ny zaza mifo-delo. Ahitsio
Fikefonana: (kefona) a.: Fifohan-delo. Ahitsio
Fikehana: (kehana) a.: Fomba enti-mikehana, mikohaka malemy misesisesy. Ahitsio
Fikehankehanana: (kehana) a.: Fikohafana malemy misesisesy. Ahitsio
Fikehenana: (kehina) o.: Fitomanimaniana, fikonetahana, fikonainaihana. Ahitsio
Fikehina: (kehina) a.: Fomba entina mikehina, mitomanimany, mikonetaka. Ahitsio
Fikemakema: (kema) a.: Fomba fiditry ny molotra: Jereo ny fikemakeman'ny molotr' io Rafotsibe io. Ahitsio
Fikemakemana: (kema) a.: Fampidirana ny molotra any anatiny. Ahitsio
Fikemo: (kemo) a.: Fomba entina mikemo, na fomban'ny olona mikemo, izany hoe mihemotra miverina tsy mandroso. Ahitsio
Fikemoana: (kemo) a.: Fihemorana, fionkonana, fikainkonana; fandavana; fivadihana ny teny natao. Ahitsio
Fikenakena: (kenakena) a,: Fomba entina mikenakena, izany hoe mitondra zavatra amim-pitandremana fatratra. Ahitsio
Fikenakenana: (kenakena) a.: Fitondrana amim-pitandremana fatratra: Entina amimpikenakenana ny atody sao vaky. ~ Fisehoana ho morainy, ho rainazy, amin'ny fitondrana. Ahitsio
Fikendrena: (kendry) a,: Fitiliana, fitadiavana hahazo: Ny fikendren'ny papango ny akohokely. 1 Fikasana, fanampoizana: Tsy manakana ny fikendreko ny hanasoa tanindrazana izany. Ahitsio
Fikendry: (kendry) a.: Fomba entina mikendry. ~ p.t.: A-zo kendrena. Ahitsio
Fikeninkenenana: (keninkenina) a.: Fisahanana raharaha madinidinika; fihodinkodinana amin'ny fanomanana izay hatao ka mampitarozaka ny raharaha hafa, Ahitsio