Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikaretsaka: (karetsaka) a,: Fomba entina mikaretsaka, izany hoe mandeha haingana dia haingana, mitsoriaka. Ahitsio
Fikarohana: (karoka) a.: Fitadiavana fatratra: Tsy hainao vinanina ny fikarohako satroka bonetra eran'ny mangazay. 1 Fitadiavana, fisavana, fanaovana savahao: Naharitra an-taonany ny fikarohana an'i Rainivoanjo, ? Fandinihana ela sy mafy: Taorian'ny fikarohana nataon'i Pasteur no nahalalana betsaka momba ny mikraoby, Ahitsio
Fikaroka: (karoka) a.: Fomba entina mikaroka. ? p,k: Azo karohina. Ahitsio
Fikasa: (kasa) a.: Fomba entina mikasa. ? p.t.: Azo kasaina. Ahitsio
Fikasana: (kasa) a.: Fanampoizana, fisainana mialoha, fitetehana: Fikasanaan'olombelona, fa ny didy an'Andriamanitra. ? Zavatra tetehina ho azo na hatao, faniriana mafy: Tsy afa-panadinana izy ka levona ny fikasany. Ahitsio
Fikasihana: (kasika) a.: Fampandalovana ny tanana amin' ny..., fisafosafoana. Ahitsio
Fikasihana: na Fikasihandokanga a,: Hazo lavalava kely misy vombon-tsoavaly nohenjanina, izay akasika somary tarihina amin'ny tadin-dokanga ka mampipararetra azy ary dia mampaneno ny lokanga. Ahitsio
Fikasika: (kasika) a.: Fomba entina mikasika. ?p.t.: Azo kasihina. Ahitsio
Fikasikasiana: (kasy) a.: Fisehoana ho jejojejo, Ahitsio
Fikasikasy: (kasy) a.: Toetran' ny olona kasikasy, jejojejo, Ahitsio
Fikasohana: (kasoka) a,: Fisafoana, fandilorana. Ahitsio
Fikasoka: (kasoka) a.: Fomba fisafo, fikasika, fandilotra. Ahitsio
Fikatona: (katona) a.: Fomba firfndrina. Ahitsio
Fikatonana: (katona) a.: Firindrinana. Ahitsio
Fikatrahana: (katraka) a: Fanenon'ny zavatra mikepoka midona amin'ny hafa. Ahitsio
Fikatraka: (katraka) a.: Toetran'ny zavatra mikatraka, izany hoe mikepoka midona amin'ny hafa. Ahitsio
Fikatraoka: (katraoka) a: Toetran'ny zavatra mikatraoka, izany hoe mipoapoaka toy ny fandehan'ny soavaly na ny kiraro amin'ny akoravato. Ahitsio
Fikatrohana: (katroka) a.: Fipohana, fidonana: Nahatsirauina ny fikatrohan'ilay fiarakodia tamin'ny tamboho rary uato. 1 Fiadiana, fikaonana: Tay nahajery ny fikatrohan'ny tafika roa tonta, ho-no, izy. ~ Fiasana, fianarana amim-pilofosana: Ny fikatrohan'ny mpianatra rehefa akaiky ny fanadinana. Ahitsio
Fikatroka: (katroka) a,: Fomba entina mikatroka, izany hoe mipoka, midona; na miady, mikaona; na miasa mamianatra amim-pilofosana. Ahitsio
Fikatsahana: (katsaka) a.: Fitadiavana mafy, faniriana hahazo: Ny fikatsahana diplaoma. Ahitsio