Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikarainkonana: (karainkona) a.: Fihoronana sy fikainkonana. Ahitsio
Fikaraka: (karaka) a.: Ny feonjavatra mipiaka, mirefotra, Ahitsio
Fikarakara: (karakara) a.: Fomba entina mikarakara, ?p.t.: Azo karakaraina. Ahitsio
Fikarakarana: (karakara) a,: Fitandremana, fanasoavana fatratra sy manokana atao amin'olona na biby, zavatra, raharaha: Rakoto no misahana ny fikarakarana ny fambolena. ~ Fiahiana, firaharahana: Anjaran'ny renim-pianakaviana indrindra ny fikarakarana ny tokantrano. ? Fanomanana,fanamboarana: Ho tonga ny lehibe ka hanomboka rahampitso ny fikarakarana ny fandraisana azy. 1 Fifehezana, fitondrana, fanapahana: An'ny lehiben' ny Firaisana ny fikarakarana it? tanna Ahitsio
Fikarama: (karama) a,: Fomba entina mikarama. Ahitsio
Fikaramana: (karama) a.: Fitadiavam-bola amin'ny alalan' ny asa, fiasana ho an'ny o10-na ka mahazo vola amin'izany. Ahitsio
Fikarantsana: (karantsana) a.: Toetran'ny feo mikarantsana, izany hoe avo sady mazava. Ahitsio
Fikarantsanana: (karantsana) a.: Hatsaram-peo avo, mazava, tsy misy migarera na farimparina. Ahitsio
Fikaraoka: (karaoka) a.: Toetran'ny feon javatra mikaraoka, izany hoe mipoaka kely toy ny vato voahitsaka. Ahitsio
Fikarapohana: (karapoka) a.: Fianjerana, fahalavoana tampoka. Ahitsio
Fikarapoka: Fiankarapoka (karapoka) a.: Fomba fianjera, fahalavoana tampoka. Ahitsio
Fikaratsahana: (karatsaka) a.: Fanaovana na famoahana feo mitovy amin'ny an'ny biby mitsakatsaka any anaty ahitra, na feo mikepokepoka toy ny an'ny ravi-main voahitsaka, Ahitsio
Fikaratsaka: (karatsaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mikaratsaka, izany hoe mamoaka feo manokana toy ny an'ny biby mitsakatsaka any anaty ahitra. Ahitsio
Fikarenjena: (karenjy) a,: Fandehandehanana eny rehetra eny araka ny sitrapo; fihenjena, firaotana tsy voafehifehy (biby). Ahitsio
Fikarenjy: (karenjy) a,: Fomba entina mikarenjy, na mandehandeha eny rehetra eny araka ny sftrapo. Ahitsio
Fikarepohana: (karepoka) a.: Fihinanana zavatra izay mikepokepoka raha tsakoina. e H.i.: Fihinanana, fandaniana. Ahitsio
Fikarepoka: (karepoka) a.: Toetran'ny zavatra mikarepoka, izany hoe mamoaka feo manokana rehefa tsakoina: Mora fantatra ny fikarepoky ny uoanjo ao am-bava. e Fomba entina mikarepoka, izany hoe mihinana zavatra izay mikepokepoka na mikaraoka ao am-bava: Toy izao ny fikarepoky ny saka ny taolan'ny akoho, Ahitsio
Fikaretohana: (karetoka) a,: Fiketohana miaraka amin' ny feo mitsaka amin'ny fanaikerana. Ahitsio
Fikaretoka: (karetoka) a.: Toetran'ny nify mikaretoka na miketoka. Ahitsio
Fikaretsahana: (karetsaka) a.: Fandehanana haingana, fitsoriahana, fihazakazahana; fangalarana amim - pahakingana. Ahitsio