Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikamenona: (kamenona) a.: Fomba entina mikamenona, izany hoe mimonomonona, mitaraina tsisy farany, Ahitsio
Fikamenonana: (kamenona) a.: Fimonomononana tsisy farany, fitarainana lava. Ahitsio
Fikamentsona: (kamentsona) a.: Fomba entina mikamentsona, izany hoe manao teny be, mikafara. Ahitsio
Fikamentsonana: (kamentsona) a.: Fibedesana, fanaovana teny be, fikafarana, finantsanantsanana. Ahitsio
Fikanikaniana: (kanikany) a.: Fihomehimehezam - poana toa maneso na mananihany, Ahitsio
Fikanikany:(kanikany) a.: Fihomehimehy toa maneso na mananihany. Ahitsio
Fikanonkanona: (kanonkanona) a,: Fomba entina mikanonkanona, izany hoe mikarakara raharaha madinidinika ao an-tokantrano, Ahitsio
Fikanonkanonana: (kanonkanona) a.: Fikarakarana raharaha madinidinika ao an-tokantrano. ¶ M.h,: Fiheninkenenana. Fikantsona (kantsona) a.: Ny feo heno rehefa milatsaka ao anatin'ny siny fiterena ny rononon'omby terena. Fikaodikaody (kaody) a.: Fomba entina na toetran' olona mikaodikaody, izany hoe mivezivezy mba hitily, misodisody. Ahitsio
Fikaodikaodiana: (kaody) a.: Fivezivezena mba hitily, fisodisodiana, Ahitsio
Fikaohana: (kaoka) a.: Fikikisana. Ahitsio
Fikaoka: (kaoka) a.: Fomba entina mikaoka, mikiky, Fikaona (kaona) a.: Fomba entina mikaona na toetran' ny zavatra mikaona, miady mihaona tsara. Ahitsio
Fikaonana: (kaona) a.: Fiadian' ny loba, ny tendron-javatra; fiadiana rafitra; fidonana, fip oh ana; fifanarahana , Ahitsio
Fikaonkaona: (kaonkaona) a.: Feô mikaikaika. Fikaonkaonana (kaonkaona) a.: Fanaovana feo mikaikaika, fitaraindrainana. Ahitsio
Fikapa: (kapa) a.: Fomba entina mikapa. Azo ka-pains: Tsy mbola fikapa itony kininina itony. Ahitsio
Fikapana: (kapa) a.: Fanapahana amin'ny famaky na antsibe; famelezana mafy amin' ny varotra. Ahitsio
Fikapetsena: (fetsy) a.: Fametsena,fanambakana. Fikapetsy (fetsy) a,: Fomba entina mametsy,manambaka. Fikapilipily (kapily) a,: Fomban'ny zavatra mikapilipily, Ahitsio
Fikapilipiliana: (kapily) a.: Fikiviliviliana mihodinkodina. Fikapohana (kapoka) a.: Fivelesana, famonoana amin'ny tanana na amin-javatra; fanasaziana, famaizana. Ahitsio
Fikapoka: (kapoka) a.: Fomba entina mikapoka. A-zo kapohina: Tsy fikapoka ny loha malemin'ny ankizy. Ahitsio
Fikaraingo: (karaingo) a.: Toetran'ny zavatra miforitra sy henjana mitambonkina. Ahitsio
Fikarainkona: (karainkona) a.: Toetran'ny zavatra mikarainkona, izany hoe mihorona sy mikainkona. Ahitsio