Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikajy: (kajy) a.: Fomba entina mikajy, na mitandrina, mikolokolo. Ahitsio
Fikaka: (kaka) a.: Toetran'ny zavatra misy kakany, Ahitsio
Fikakaka: (kakaka) a.: Faon' ny akohovavy ndehahanatody. Ahitsio
Fikakàka: (kakàka) a.: Fomba enti-mikakàka. Ahitsio
Fikakakaka: (kakakaka) a.: Fomba entina mikakakaka, izany hoe mihomehy lava mitapatapaka sy mafy heno lavitra. Ahitsio
Fikakakakana: (kakakaka) a.: Fihomehezana lava mitapatapaka sy mafy, heno lavitra. Ahitsio
Fikakana: (kaka) a.: Fisiana ka-ka; na fanasiana kaka. ? Fanaovana izay tsy hahafahan' ny mpianatra adinina. Ahitsio
Fikakàna: (kaka) a.: Fanenon' ny akohovavy madiva hanatody. Ahitsio
Fikaliana: (kaly) a.: Fanaovanjavatra am-pitandremana fatratra mba hahatonga azy ho lavorary, tsy misy hokianina. Ahitsio
Fikalita: (kalita) a.: Fomba fanaovana vazivazy, hatsikana. Ahitsio
Fikalitana: (kalita) a.: Fampihomehezana amin'ny fanaovana hatsikana, vazivazy, Ahitsio
Fikalo: (kalo) a.: Fomba entina mikalo, izany hoe mihira amim-po mametsovetso. Ahitsio
Fikaloana: (kalo) a.: Fihirana amim-po mametsovetso, Ahitsio
Fikaly: (kaly) a.: Fomba entina mikaly, izany hoe manao zavatra amim-pitandremana fatratra. ~ p.t.: Azo kalina, tokony hokalina. Ahitsio
Fikamaosiana: (kamaosy) a.: Harerahana fatratra, fahantrana velona. Ahitsio
Fikamaosy: (kamaosy) a.: Toetran'ny olona kamaosy, reraka fatratra, mahantra velona. Ahitsio
Fikambana: (kambana) a.: Fomba itambarana na iraisan'ny zavatra na olona ma-ro. Ahitsio
Fikambanana: (kambanana) a.: Fiarahana maro, fitambarana: Ny fikambanana no hery. ? Antokon'olona vitsivitsy na maro miray noho ny asa, raharaha, hevitra politika, zava-kanto iombonana: Ny fikambanan'ny Mpanoratra sy Poety. Ahitsio
Fikambotiana: (kamboty) a.: Fanaovana izay azo atao, izay tratry ny aina. Ahitsio
Fikamboty: (kamboty) a.: Fomba fanaovana izay azo atao. Ahitsio