Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fikabariana: (kabary) a.: Fanaovana lahateny ampahibemaso; filazana lalàna na didy ampahibemaso. 1 Fibedibedena: AmpY izay fikabarianao ahy izay fa lasa aho. Ahitsio
Fikabary: (kabary) a.: Fomba entina mikabary. Ahitsio
Fikabedena: na Fikabedesana (kabedy) a.: Fitenenana dridralava mananatra na manakiana. Ahitsio
Fikabedy: (kabedy) a.: Fomba entina mikabedy, izany hoe miteny dridralava mananatra na manakiana. Ahitsio
Fikaforo: (kaforo) a,: Fahantrana fadiranovana. Ahitsio
Fikaforoana: (kaforo) a.: Fahantrana; tsy fahalalana menatra. Ahitsio
Fikahankahana: (kahankahana) a.: Fomba entina mikahankahana, izany hoe miantso amim-peo mimonomonona na manda an'avona. Ahitsio
Fikahankahanana: (kahankahana) a.: Fiantsoana amim-peo mimonomonona; fandavana an'avona, fanesoana. Ahitsio
Fikahonkahona: (kahonkahona) a.: Fomban'ny olona mikahonkahona, izany hoe mitomany lavareny. Ahitsio
Fikahonkahonana: (kahonkahona) a.: Fitomaniana lavareny; finaonaonana (saka). Ahitsio
Fikaihana: (kaika) a.: Fitolokoana, fitarainana. Ahitsio
Fikaika: (kaika) a.: Fitoloko, fitarainana. Ahitsio
Fikaika: (kaika) a.: Fiantso: Fikaik'olona noana ny anao izany! Ahitsio
Fikaikaihana: (kaika) a.: Fitomaniana, fitolokoana; fimonomonoana. Ahitsio
Fikaikaika: (kaika) a.: Fomba entina mikaikaika, na mijafajafa. Ahitsio
Fikainkona: (kainkona) a.: Fifintina, fiketrona. Ahitsio
Fikainkonana: (kainkona) a.: Flfintinana, fiketronana, fivonkonana. Ahitsio
Fikajakaja: (kajakaja) a.: Fomba entina mikajakaja, na mikarakara, manolokolo, Ahitsio
Fikajakajana: (kajakaja) a.: Fikarakarana, fanolokoloana, famboarana, fitandremana: Ny fikajakajanareo ny biby sy ny toerany no mampahomby ny fiompianareo. Ahitsio
Fikajiana: (hajy) a.: Fitandremana, fikolokoloana, fikaliana. Ahitsio