Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fijilojiloana: (jilo) a.: Fitsilotsiloana. Ahitsio
Fijinijiniana: (jiny) a.: Fanaovana an-kifonofono, am-po; fahavitsian-teny, fahasosotsosorana. Ahitsio
Fijinijiny: (jiny) a.: Toetran'ny olona mijinijiny, na vitsivitsy teny, manao an-kifonofono. Ahitsio
Fijininihana: (jininika) a.: Fikorianan'ny rano na ra na fitetevany tsy misy fiatoana. Ahitsio
Fijininika: (jininika) a.: Fomba na toetran'ny rano na ra mijininika, mikoriana tsy misy fiatoana. Ahitsio
Fijinja: (jinja) a.: Fomba entina mijinja: Hafa izany fij(njanareo vary izany. ? p.t.: Azo jinjaina: Tsy mbola f?inja itony vary itony, ry Rakoto a! Ahitsio
Fijinjana: (jinja) a.: Fanapahana ny tahom-bary amin'ny antsim-bary; fandringanana, fandripahana, fiotazana, fandraisana ny vokatra. Ahitsio
Fijirajira: (jirajira) a.: Haavo, hamboniana. Ahitsio
Fijirika: (jirika) a.: Fomba fivarotra antsinjarany. Ahitsio
Fijjrihana: (jirika) a.: Fivarotana antsinjarany. ~ Fanaovana asan-jirika na jiolahY. Ahitsio
Fijoaka: (joaka) a.: Faharorohana (zaza mitombo, zavamaniry). Ahitsio
Fijoalajoalana: (joala) a.: Hala-varia avo dia avo; firehetana mamoaka lelafo miakatra a-vo dia avo. Ahitsio
Fijobona: (jobona) a,: Fomba entina mijobona, mifantina. 1 p.t.: Azo jobonina, azo fantenana. Ahitsio
Fijobonana: (jobona) a,: Fifidianana, fifantenana, Ahitsio
Fijofo: (jofo) a.: Fomban'ny zavatra miiofo, na mipololotra, mitambolimbolina. Ahitsio
Fijofoana: (jofo) a.: Fisondrotana, fipololorana, fitambolimbolenana, fahatongavana misosososo amim-pahasahiana, Ahitsio
Fijohijohiana: (johy) a.: Fandehanana mikaviavia toy ny akoho mitsoitsoy lenan'ny orana. Ahitsio
Fijohijohy: (johy) a.: Toetran' ny olona na biby miiohijohy, izany hoe mandeha mikaviavia toy ny akoho mitsoitsoy lenan'ny orana. Ahitsio
Fijojo: (jojo) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mijojo, izany hoe misosa moramora misononoka, milatsaka moramora mikararana (orana). Ahitsio
Fijojoana: (jojo) a,: Fisosana moramora misononoka, fandehanana mizotra tsara, filatsahan'ny orana moramora mikararana. Ahitsio