Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fijehojeho: (jeho, jehojeho) a.: Fomban'ny olona mijehojeho, izany hoe mandeha miadana toy ny mivesatra enta-na na marary, Ahitsio
Fijehojehoana: (jeho, jehojeho) a.: Fandehanana miadana toy ny mivesatra entana na marary, fakana mora raha mandeha. Ahitsio
Fijejajeja: (jeja, jejajeja) a.: Filelaka sy fitambolimbolin'ny lelafo manao rehi-be. Ahitsio
Fijejajejana: (jeja, jejajeja) a.: Firehetam-ben'ny lelafo mitambolfmbolina. Ahitsio
Fijejaka: (jejaka) a.: Firehi-be sady haingana, fidedadeda. Ahitsio
Fijejijejy: (jejy) a.: Fanenonvatra ohatra ny jejy. Ahitsio
Fijejojejo: (jejo, jejojejo) a.: Fomba entina mijejojejo, izany hoe mampiseho toetra tsy dia maotona loatra na amin'ny fihetsika na amin'ny fitafy mba hisintonana ny mason'ny olona. Ahitsio
Fijejojejoana: (jejo, jejojejo) a.: Fampisehoana toetra tsy maotona loatra na amin'ny fihetsika na amin'ny fitafy mba hisintonana ny mason' ny olona langa; fahakasikasiana, fahamaivanan-doha. Ahitsio
Fijerena: (jery) a.: Fanopazana ny maso amin javatra na olona mba handinihana azy: A-vy ety ambony havoana ety no fijerena ny tanĂ na... 1 Zavatra enti-mijery. 1 Fandinihana, fitsapana, fizahana: A-to no fijerena ny marary. ? Fangorahana: F?erena ny kamboty sy ny mahantra. Ahitsio
Fijery: (jery) a.: Fomba entina mijery: Manao fijerin'adala io Gloria ici. - Mangalapijery: mijery nefa tsy hita ho mijery, manarangarana. * Ohab.: Avo fiJery Andriamanitra ka mahita ny takona: tsy misy miafina amin' Andriamanitra noho Izy mijery avy any ambony, Ahitsio
Fijihijihiana: (jihijihy) a.: Fahatsiarovana fanaintainana eran'ny vatana manontolo. Ahitsio
Fijihijihy: (jihiJihy) a. : Fomban' ny olona mijihijihy, na mahatsiaro manaintaina eran'ny vatana manontolo. Ahitsio
Fijihina: (jihina) a.: Fomba entina mijihina, na midihindihina somary mirehareha amin' ny fitafiana. Ahitsio
Fijihinana: (jihina) a.: Fidihindihinana somary mirehareha amin'ny fitafiana, fampisehoana bika amin'ny haingo anaovana. Ahitsio
Fijijiana: (jiJy) a.: Fikaliana, famindrana madinika, mitandrintandrina; fikendrena fa-traira. Ahitsio
Fijijijijiana: (Jiigiiy) a.: Famindrana manao dingana fohy toy ny mandihy; fitarainana noho ny fanaintainana; fanenoana mikiririoka. Ahitsio
Fijijy: (jijy) a.: Fomba fikaly; famindra madinidinika, mitandrintandrina; fikendry fatratra. Ahitsio
Fijilajila: (fila, jilajiia) a.: Fomban'ny olona mijilajila, na mipelipelika, manao fihetsika sy fandehan'olona langa. Ahitsio
Fijilajilana: (jila, filai lia) a.: Fipelipelehana, fijejojejoana, fanaovana fihetsika sy fandehan'olona langa. Ahitsio
Fijilojilo: (jilo) a.: Toetran'ny zavatra mijilojilo, na mitsilotsilo. Ahitsio