Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fijaliana: (jaly) a.: Fanaintainana mafy amin'ny vatana na amin'ny saina amam-panahy; fiandrasana mampivoajamala. Ahitsio
Fijaly: (jaly) a.: Fomba entina mijaly. Ahitsio
Fijambke: (jamdka) a.: Toetran' olona mijamôka, izany hoe mora be, vitsy teny. Ahitsio
Fijananaika: (jananaika, jananaka) a.: Firotsahana tsy misy fiatoana (orana); fivoahana tsy mety mijanona (ra amin' ny ratra). Ahitsio
Fijangajanga: (janga, jangajanga) a.: Fomba entina mijangajanga. Ahitsio
Fijangajangana: (janga, jangajanga) a.: Fanaranam-po amin'ny fitondran-tena ratsy, filibana amin'ny fahalianana ara-nofo, fandehanana amin' ny olona tsy vadin'ny tena: Raran'Andriamanitra amin' ny didy fahenina ny fiJan gajangana. ¶ M.h,: Fandehandehanana. Ahitsio
Fijanona: (janona) a.: Fomba entina mijanona. Ahitsio
Fijanonana: (janona) a.: Fitsaharana: Enimpolo taona no fijanonana tsy miasa intsony matetika. 1 Fitoerana ela:Nisy zavatra betsaka niseho nandritra ny fijanonanao tany Toamasina 1 Fiatoana: Mahaiza mamaky teny tsara; asio fdjanonana isaky ny faran'ny fehezanteny, 1 Fotoana tsy iasana, tsy ianarana: Mahazo f?anonana roa vola-na ny mpianatra isaky ny faran'ny taom-pianarana. 1 Toerana fandalovan'ny fiarambahoaka ka miato kely izy eo: Misy miala amin'ny fijanonana manaraka. Ahitsio
Fijapiana: (japy) a.: Fiantsamborana mitaingina (zavatra) eny am-pandehanana. Ahitsio
Fijapy: (japy) a.: Fomba entina mijapy, izany hoe miantsambotra mitaingina (zavatra) eny am-pandehanana. Ahitsio
Fijaradona: (jaradona) a.: Fijoro mahitsy. Ahitsio
Fijaradonana: (jaradona) a.: Fijoroana mahitsy. Ahitsio
Fijaridina: (jaridina) a.: Fomban'ny olona mijaridina, izany hoe mijoro mahitsy tsara tsy mihetsika. Ahitsio
Fijaridinana: (jaridina) a.: Fijoroana mahitsy tsara tsy mihetsika. Ahitsio
Fijarihana: (jarika) a.: Fijoroana ela miandry. Ahitsio
Fijarika: (jarika) a.: Fomba entina mijoro ela miandry. Ahitsio
Fijarobohana: (jaroboka) a.: Fisokana na filentehana ao anaty rano, fivarinana na flanjerana ao anaty rano. Ahitsio
Fijaroboka: (jaroboka) a.: Toetran'ny zavatra mijaroboka, izany hoe misoka na milentika ao anaty rano. Ahitsio
Fijefijefena: (jefy, jefifefy) a.: Fanaovana fihetsehana tsy dia maotina loatra mba hirehan'ny mason'ny olona any amin'ny tena, fipelipelehana noho ny hajejoana. Ahitsio
Fijefijefy: (jefy, jefijefy) a.: Toetra na fomban'ny olona mijefijefy, na mijejojejo. Ahitsio