Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihotro: (hotro) a.: Fomba entina mihotro, izany hoe mikarama. Ahitsio
Fihotroana: (hotro) a.: Fikaramana. Ahitsio
Fihotsahana: (hotsaka) a.: Fianjerana, firodanana noho ny fahavontosan-drano: Ndeha jereo, ry Ikoto, izany fihotsahan'ny tamboho izany. Ahitsio
Fihotsaka: (hotsaka) a.: Fomba fianjerana noho ny havontosandrano. Ahitsio
Fihotsoboly: (Ski) a,: Karazam-biby tahaka ny bibilava saingy fohy ary mahery misitrika ao anaty fasika. Ahitsio
Fihovotrovotan: (hovotrouotra) a.: Fihozongozonana, fihontsonkontsonan'ny tena manontolo mangovitra. Ahitsio
Fihovotrovotra: (houotrovotra) a,: Fihozongozona, fihontsonkontsona. Ahitsio
Fihozangozana: (hozangozana) a.: Toetran'ny olona reraka, trotraka, ka manano sarotra aoka izany raha mipetraka na mandry. Ahitsio
Fihozangozanana: (hozangozano) a.: Fahaxerahana, fahatrotrahana miseho amin'ny fihetsiky ny tena manontolo izay manano sarotra raha mipetraka na mandry. Ahitsio
Fihozohozo: Fangozohozo (hozohozo) a.: Toetran'ny olona mangozohozo, izany hoe mangovingovitra noho ny harerahana na ny fahanterana ka tsy mahay mihetsika na mamindra tsara. Ahitsio
Fihozohozoana: Fangozohozoana (hozohozo) a.: Fahosana, faharerahana mampangovingovitra ny tena ka tsy ahafahana mihetsika na mamindra tsara. Ahitsio
Fihozongozona: (hozongozona) a.: Toetran'ny zavatra mihozongozona, izany hoe mihetsiketsika miverimberina noho izy efa malemy mila hianjera. Ahitsio
Fihozongozonana: (hozongozona) a,: Fihetsiketsehana, fihevingevenana miverimberina. Ahitsio
Fiiva: (iva) a,: Toetran'ny zavatra iva. Ahitsio
Fiivana: (iva) a.: Fietrena, fanetren-tena, fandroronana. Ahitsio
Fijabajaba: (jaba) a.: Fomba entina mandeha kitoatoa sy mitsapatsapa ao anatin'ny maizina, fitsapatsapa, fitsofoka befahatany. Ahitsio
Fijabajabana: (jaba) a,: Fandehanana kitoatoa sy mitsapatsapa ao anatin'ny maizina. Ahitsio
Fijadina: (jadina) a,: Fitokantokana, vitsy teny. Ahitsio
Fijadinana: (jadina) a.: Fitokantokanana, havitsian-teny. Ahitsio
Fijafajafa: (jafa, jafajafa) a,: Fomban'ny olona mijafa,iafa, mikaikaika; fitomany nrafy: Tsy te handre ny f(iafajafan' ny zozo tsindronina aho, Ahitsio