Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihopaka: (hopaka) a.: Fomba ihofahofana. Ahitsio
Fihorahana: (horaka) a.: Fihobiana,fiderana;fanakorana, Ahitsio
Fihoraka: (horaka) a.: Fomba entina midera, manakora, Ahitsio
Fihorehana: (horika) a.: Figagana, fitalanjoana: Akory ny fihorehan'ny uahoaka ny lahateniny! Ahitsio
Fihoriahana: (horiaka) a,: Fihevingevina na fipararetra noho ny tahotra na ny rikoriko. Ahitsio
Fihorika: (horika) a,: Fomba entina mihorika, migaga, mitalanjona. Ahitsio
Fihoripihana: (horipika) a.: Firontona hiala, noho ny tsY fitiavana na hasosorana. Ahitsio
Fihoripika: (horipika) a.: Fomba firontona hiala. Ahitsio
Fihorohoro: (horohoro) a.: Fomba fangovitana, fitebitebena. Ahitsio
Fihorohoroana: (horohoro) a.: Fihovotrovotana, fitebitebena izaitsizy. Ahitsio
Fihorona: (horona) a.: Toetran'ny zavatra mihorona, mivoromborona, miforitra mihoronkorona: Fihoron'ny hodi-doha. Ahitsio
Fihoronana: (horona) a.: Fivoromboronana, fiforetana. Ahitsio
Fihosenana: (hosina) a.: Fifotetahana, fitavonana: Fihosenana omin'n? fotaka. Ahitsio
Fihosina: (hosina) a.: Fomba entina mihosina, mifotetaka, mitavona. Ahitsio
Fihota: (hota) a.: Fomba fanao rehefa mihota, izany hoe mitsakotsako zavatra hakana tsirony fotsiny fa aloa rehefa avy eo. Ahitsio
Fihotakotahana: (hotakotaka) a.: Fihetsiketsehan'olona maro noho ny fanahiana loza mananontanona na mampitebiteby. Ahitsio
Fihotakotaka: (hotakotaka) a.: Toetran'olona maro mihetslketsika noho ny fanahiana loza mananontanona na mampitebiteby. Ahitsio
Fihotana: (hota) a.: Fitsakoana hanina, izay akana ny tsirony fotsiny fa aloa indray rahefa avy eo. Ahitsio
Fihoto: (hoto) a.: Fomba entina mandroaka. Ahitsio
Fihotoana: (hoto) a.: Fandroahana. Ahitsio