Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihomboana: (hombo) a.: Firaiketana amin'ny,,., fifantsihana amin'ny...: Ny fihomboan'i Kristy teo amin'ny hozofijaliana. 1 Fihamafisan' ny aretina: Ny fihomboan' ny aretiny no nitondran'nY havany azy tany amin'ny hopitaly. Ahitsio
Fihomehezana: (homehy, hehy) a.: Asa atao rehefa mihomehy: Fihomehezana eran'ny trano raha vao niditra izy. ? Fananihany: Nataon'ny olona fihomehezana ilay Ramatoa niteniteny foana. Ahitsio
Fihomehy: (homehy, hehy) a,: Fomban'ny olona rehefa mihomehy: Mahatsikaiky ny fihomehin-dRangahy io fa mihouotrovotra ny tenany manontolo, Ahitsio
Fihonankonana: (honankona na) a.: Ny fihararetran'ny nofo matavy. Ahitsio
Fihondrahondra: (hondrahondra) a.: Toetran'ny zavatra mihondrahondra, na mihofahofa (toy ny volom-behivavy raha mihazakazaka). Ahitsio
Fihondrahondrana: (hondrahondra) a.: Fihofahofana. Ahitsio
Fihondratana: (hondratra) a.: Ny fiontanana; firongotana. Ahitsio
Fihondratra: (hondratra) a.: Ny toetran'ny firongatrY ny aretina mamorofotra. Ahitsio
Fihondrokondroka: (hondrokondroka) a,: Fomba fandihy toa mandranitra ny filan' ny nofo amin'ny fihetsika afitsoka. Ahitsio
Fihonikonihana: (honikonika) a.: Fanetsehana ny tena toa manara-ba. Ahitsio
Fihonikonika: (honikonika) o.: Fomba fanetsehana ny tena toa manara-ba. Ahitsio
Fihoninkonenana: (honinkonina) a.: Fihetsehana sahirankirana mankatsy mankaroa; fandehanana amim-pidrahodrahoana. Ahitsio
Fihoninkonina: (honinkonina) a.: Fomban'ny olona mihoninkonina, izany hoe misahirana mankatsy mankaroa, miheninkenina, na mandeha amim-pidraho drahoana. Ahitsio
Fihontihontiana: (hontihonty) a.: Fanompotompoana hahazoan-tsitraka amim-behivavy. Ahitsio
Fihontihonty: (hontihonty) a.: Fomba hahazoan-tsitraka amim-behivavy, Ahitsio
Fihontsana: (hontsana) a.: Fomba entina manasa ny aty vava amin'ny fanakorianana rano ao anatiny. Ahitsio
Fihontsanana: (hontsana) a,: Fanakorlanan-drano ao am-bava hanadiovana azy. Ahitsio
Fihontsona: (hontsona) a.: Fomba fihetsehana, fivadiham-po, Ahitsio
Fihontsonana: (hontsona) a.: Fihetsehana: Vizaka eo ianao raha hiandry ny fihontsonan'ity vato ity. ~ Fahatairana, fihetseham-po: Tsy nisy fihontsonana kely akory teny amin'ny tarehiny. Ahitsio
Fihopahana: (hopaka) a.: Fihofahofana. Ahitsio