Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihofokofohana: (hofokofoka) a.: Fihetsiketsehana. Ahitsio
Fihofokofoka: (hofokofoka) a.: Fihetsiketsika, toetran'ny olona na zavatra mihetsiketsika. Ahitsio
Fihogahoga: (hogahoga) a.: Fomba entina miantsoantso tsy misy antony, mihogahoga. Ahitsio
Fihogahogana: (hogahoga) a.: Fiantsoantsoana tsy misy antony. Ahitsio
Fihogo: (hogo) a,: Fitaovana misy kinifinifiny, izay matetika vita amin'ny taolana na kanikanin-kena, entina mandamaka ny volo. Ahitsio
Fihogoana: (hogo) a,: Fandamahana ny volo. Ahitsio
Fihoha: (hoha) o.: Fomba entina mihoha, na miantsoantso miantso vonjeo, mikoka. Ahitsio
Fihohana: (hoha) a,: Fiantsoana vonjy; fanakorana; fihorakorahana. Ahitsio
Fihohazana: (hoha) a.: Fihadiana amin'ny hoho; faniongarana zavatra avy any anaty tany; fitadiavana hahalala. Ahitsio
Fihohofana: (hohoka) a,: Fionganan-javatra ka ny vavany no lasa ambany: Ny fihohofan'ny uilany no tsy nilelafan'ny alika ny tao anatiny. ? Fandriana ny kibo no atao ambany mandry: Raha izaho tsy ahitako tory ny fihohofana, • Fandoalihana sy fiondrehana eo ambonin'ny zavatra ixay ho mari-pitiavana na alahelo: Nampalahelo ny nahtta ny fihohofan-dreniny teo amin'ny nofo mangatsiakan'ilay zonany, • Fia-sana tsy miroa fo: Fihohofana tamin'ny asa no nahauitana itony boky itony. Ahitsio
Fihohoka: (hohoka) a.: Fomba entina mihohoka, toetran'ny zavatra na olona mihohoka, izany hoe miongana ka ny vavany no lasa ambany, na mandry ka ny kibo no atao ambany mandry, na mandohalika sy miondrika ambany dia ambany. Ahitsio
Fihohy: (hohy) a.: Fomba entina mihohy, na mihady amin'ny hoho. Ahitsio
Fiholairana: (holaitra) a.: Fisompiranana kely fa tsy mahitsy; fipitsohana. Ahitsio
Fiholaitra: (holaitra) a.: Toetran'ny zavatra miholaitra, na misompirana kely fa tsy mahitsy na mipitsoka. Ahitsio
Fiholantrolana: (holantrolana) a.: Fomba entina miholantrolana, na miseho ho saxotsarotiny. Ahitsio
Fiholantrolanana: (holantrolana) a.: Fisehoana ho sarotsarotiny. Ahitsio
Fiholiana: (holy) a.: Fahatahorana, fitakemorana. Ahitsio
Fiholy: (holy) a.: Toetran'ny olona matahotra. Ahitsio
Fihomaranantsody: (homaranantsody) a.: Toetran'ny olona homaranantsody, izany hoe mivaloariky ny harerahana. Ahitsio
Fihombo: (hombo) a.: Fomba fifikirana amin'ny hevitra; toetran'ny zavatra mihombo na mihamafy. Ahitsio