Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihoakoahana: (hoakoaka) a.: Fiezahana mafy handoa nefa tsy mahalasa; fanezahana mafy miantso olona na mihira. Ahitsio
Fihoakoaka: (hoakoaka) a.: Feo ataon'izay mihoakoaka, izany hoe miezaka mafy handoa nefa tsy mahalasa, manezaka mafy miantso olona na mihira: Mankarenin-tsofina ny fihoakoakan'ireto ankizy ireto rehefa mihira. Ahitsio
Fihoalahoala: (hoalahoala) a,: Fomban'izay mihoalahoala, na maimay izaitsizy, mihavatravatra. Ahitsio
Fihoalahoalana: (hoalahoala) a.: Fahamaimaizan, fitaitaizana, fihavatravarana. Ahitsio
Fihoarana: (hoatra) o.: Fandinganana: Fihoarana tamboho, •Fisongonana: Nahafaly azy ny fihoarana an'ilay mpahazo voalohany isam-bolana. Ahitsio
Fihoatra: (hoatra) a.: Fomba fisongona, fandingana.., Fihoby (hoby) a.: Fomba entina mihoby, na midera amin'ny akoram-pifaliana. Fihobiana (hoby) a.: Fiderana amin'ny akoram-pifaliana. Ahitsio
Fihodahoda: (hodahoda) a.: Fomban'ny olona mihodahoda, miambatrambatra, miakanakana. Ahitsio
Fihodahodana: (hodahoda) a.: Fikodedehana, fiambatrambarana, fiakanakanana. Ahitsio
Fihodidina: (hodidina) a.: Fomba enti-mandeha manodidina. Ahitsio
Fihodidinana: (hodidina) a.: Fandehanana manodidina: Mandreraka ihany ny fihodidinana an'i Mahamasina ankazakazaka. Ahitsio
Fihodina: (hodina) a.: Fomba entina mihodina, toetran'ny zavatra mihodina: Ny fihodin'ny tandrimo. Ahitsio
Fihodinana: (hodina) a.: Fitsimbadihana eo an-toerana ihany ka ny ambany tonga ambony ary dia mifandimby hatrany toy izany: Ny fihodinan'ny tany no mahatonga ny andro sy ny alina. ~ Fitodihan'ny loha mankany eoriana: Ny fihodinany no tsy nahitany anao. •Tsipika afovoany ihodinan'ny zavatra iray, lahintangerina: Misy simba ny fihodinan'it9 kodiarana itQ Ahitsio
Fihodirana: (hoditra) a.: Loko na volon'ny hoditra: Tsy tokony hisy ny fanavakavahana araka ny fihodirana, fa rehefa olombelona dia olombelona Ahitsio
Fihodivirana: (hodivitra) a.: Tsy fahitsiana, fihilanana: Ny fihodiviran'ny andry, ? Fihodinana any amin'ny ilany, fiviliana: Ny fihodivirany tany ambadiky ny tmno no tsy nahazoana azy. •Fialana amim-pahakingana: Nitady azy aho nefa tsy hitako izy noho ny fihodivirany. ~ Ny manodidina ny takolaka eo akaikin'ny sofina. Ahitsio
Fihodivitra: (hodivitra) a.: Toetran'ny zavatra mihodivitra, izany hoe mihodina haingana: Tay hita akory ny fihodivitry ny taona. Ahitsio
Fihodrohodro: (hodrohodro) a.: Toetran'ny zavatra mivindimbindina, mibinaka. Ahitsio
Fihodrohodroana: (hodrohodro) a.: Fibinabinahana sy fivontosana, fivindimbindinana. Ahitsio
Fihofakofahana: (hofakofaka) a.: Fiendahan'ny hoditra mitapelaka na mielakelaka manify. Ahitsio
Fihofakofaka: (hofakofaka) a.: Fomban'ny zavatra mihofakofaka; toetran'ny hoditra miendakendaka, miala mielakelaka. Ahitsio
Fihofany: a.: Ny fanambanin' ny kibon'ny kisoa. 1 (Ski) Tohatra na nonon'ny lambovavy, Ahitsio