Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihirihiriana: (hirihiry) a.: Fihenahenana, fandavana, fanaovana ditra; di-doha. Ahitsio
Fihirihiry: (hirihiry) a.: Fomba entina mihirihiry, na mihenahena, manda, manao ditra. Ahitsio
Fihirina: (fihitra) mt.ih, (fihiro): Tazonina sy fikirina mafy. Ahitsio
Fihisatra: (hisatra) a.: Fomba famindra miadana tsikelikely, famindrana miadana taikelikely: Endre izany fihisatry ny fotoana rehefa misy zavatra andrasana mafy! Ahitsio
Fihitika: (hitika) a.: Toetran' ny akanjo mangeja, mifaninjitra. Ahitsio
Fihitikitihana: (hitikitika) a.: Fandehanana na famindrana somary mirehareha kely. Ahitsio
Fihitikitika: (hitikitika) a.: Fomba fandeha na famindra somary mirehareha kely. Ahitsio
Fihitra: a.: Ahitra mantra. ~ Karazan-dalitra fisaka, tokony ho 8 mm ny halavany, fohy ny tandrony, lehibe ny kibony, manaikitra marnaivay, indrindra ny omby sy ny soavaly. Ahitsio
Fihitra: a,: Fitazonana sy famikirana amin-kiry (fer. Fikitra). - t.i.f.: Fihirina, afihitra, voafihitra, tafafihitra / mamihitra, famihitra, mpamihitra / amilrirana, famihirana 1 mifihitra, fifihitra, mpifihitra 1 ifihirana, fifihirana / mahafihitra. Ahitsio
Fihitrikitrihana: (hitrikitrika) a.: Filentehana, fifantsitsirana. Ahitsio
Fihitrikitrika: (hitrikitrika) a.: Fomba filentika, fifantsitsitra. Ahitsio
Fihitso-basy: na Firitso-basy a.: Vy na hazo lavalava kely amin'ny basy natao hamahanana azy taloha, fa ankehitriny kosa ampiasaina hanadiovana azy fotsiny. Ahitsio
Fihitsohana: (hitsoka) a.: Filentehana amin'ny toerana iray tsy ahafahana miala. Ahitsio
Fihitsoka: (hitsoka) a,: Toetran'ny zavatra mihitsoka, na milentika amin'ny toerana iray tsy ahafahana miala. Ahitsio
Fihivingivina: (hivingivina) a,: Fomba fihifikifika. Ahitsio
Fihivingivinana: (hivingivina) a,: Fihifikiflhana, fihodinkodinan' (ny loha), Ahitsio
Fihivohana: (hivoka) a,: Fifatrarana, fifanetena, fifanizinana. Ahitsio
Fihivoka: (hivoka) a.: Fomba fifatratra ao amin'ny toerana iray. Ahitsio
Fihizina: (hizina) a,: Toetran' ny toerana feno, na ny zavatra tafahitsoka amin'ny toerana iray: Tsy hay lazaina ny fihizin'ny aotobisy amin'ny firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra. Ahitsio
Fihizinana: (hizina) a.: Hafenoana; fihitsohana amin'ny toerana iray. Ahitsio