Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihimoka: (himoka) a.: Fomba fanakombonana ny vava mba tsy hihomehy. Ahitsio
Fihimokimohana: (himokimoka) a.: Fihomehezana tazontazonina tsy ho mafy. Ahitsio
Fihimokimoka: (himokimoka) a.: Fomba entina mihimokimoka, na manakombona ny vava mba tsy hihomehy, ne-fa fantatra ihany fa te hihomehy. Ahitsio
Fihina: a.: Fitazonana mafy amin'ny tanna tokan atao mikainkona na amin'ny ta-nana roa ampifandraisina mba tsy hahafahan'ilay voatana mikofoka. - t.i.f.: Fihinina, voafihina 1 mamihina, famihina, mpamihina 1 amihinana, famihinana 1 mifihina, fifihina, mpifihina 1 ifihinna, fifihinana 1 mahafihina. - F.-p.: Fihi-mamba: fitanana mafy tsy afa-mivaha intsony. /Manao am-pihi-mamba: tsy mamela izay azo (enti-milaza olona tia tena, mpanao mamifovelona) / Fihimbava: fihazonana ny vava tsy hiteny afa-tsy izay tokony holazaina. / Fihin-kaia: fitiavan-tena. / Vary iray fihina: vary eran-tanan'ila voaray rehefa mijinja. Ahitsio
Fihinakinaka: (hinakinaka) a.: Hatavy,habotrefona:Oadray, izany fihinakinak'ity' kisoa! Ahitsio
Fihinana: (hinana) a.: Fomba entina mihinana: Raisiny amin'ny hazo kely no fihinan' ny Sinoa ny vary, ~p.t.: Azo hanina: Misy holatra betsaka tsy fihinana fa misy poizina. Ahitsio
Fihinanana: (hinana) a.: Asa a-tao rehefa mihinana; fitsakoana sy filemenana ventin-kanina. ? f t.m.: Karama: Tsy hisy hanao an'io raha tsy misy fihinanana kely. Ahitsio
Fihindrahindra: (hindrahindra) a.: Fomba entina mihindrahindra, mipelipelika, mijefijefy. Ahitsio
Fihindrahindrana: (hindrahindra) a.: Fikarenjirenjena, fipelipelehana, fijefijefena. Ahitsio
Fihinina: (fihina) mt.ih. (fihino): Tazonina mafy amin'ny tanana tokana atao mikainkona tsara: Nofihininy tsara ao anaty tanana ilay vola nomeko azy. 1 Tazonina mafy amin'ny tanna roa ampifandraisina tsara mba tsy hahafahan'ilay tazonina mikofoka: Raha vao tonga ny zanany dia nofihinin-dreniny tao an-tratrany. ¶ M.h,: Giazana. Ahitsio
Fihinjahana: (hinjaka) a.: Fitsamboaran, fitsambikinrbikinana. Ahitsio
Fihinjaka: (hinjaka) a.: Fomba entina mihinjaka, na mitsamboatra, mitsambikimbikinkafalian. Ahitsio
Fihinjihinjiana: (hinjihinjy) a.: Fihinjirana, firidiridiana, asa atao rehefa mihinjihinjy. `Fihintsana (hintsana) a.: Fomban'ny zavatra mihintsana, miala, miraraka: Jereo kely ny fihintsan'ny oonin'ireto raozy ireto! Ahitsio
Fihinjihinjy: (hinjihinjy) a.: Fomba entina mihiniihinjy, mihinjitra, miridiridy. Ahitsio
Fihintsanana: (hintsana) a.: Fialana, firarahana: Rehefa lehibebe no manomboka ny fihintsanan'ny vole. Ahitsio
Fihira: (hira) a.: Fomba entina mihira. ~ p. t.: Azo hiraina. Ahitsio
Fihirana: (hira) a.: Ny asa atao rehefa mihira. 1 Tonon-kixa voasoratra ka hiraina any an- trano fiangonana. ~ Boky misy tonon-kira. Ahitsio
Fihiratana: (hiratra) a.: Ny ffsokafan'ny maso. Ahitsio
Fihiratra: (hiratra) a.: Ny toetran'ny maso mihiratra, misokatra. Ahitsio
Fihirifana: a,: Faritra amin'ny ilan'ny loha an-daniny sy andaniny avy, voafaritry ny maso, ny sonna ary ny takolaka. ¶ M.h.: Heringerina. Ahitsio